Tonga eto Madagasikara ny solontenan’ny «Fonds Pierre Castel», hijery ifotony mikasika ny lalao «Pris Castel» sy ny fisokafan’ny fihariana miompana amin’ny lalam-pihariana lafiny ara-tsakafo sy ny fandraharana aty Afrika. Voakasik’izany ny sekoly ambony momba ny siansa ara- pambolena sy fiompiana eny amin’ny oniversiten’Ankatso (ESSA). Nihaona tamin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny izy ireo. Nojerena ny olan’ny olona sy ny fanambin’ny tanora, sy ny vahaolana hoentin’ny orinasa Star. Anisan’izany ny fikarakarana ny fifaninanana ny loka «Prix Castel 2023», miompana amin’ny fandrafatena tetikasa amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Ao anatin’izany ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena.
Anisan’ny orinasa notsidihan’ny tomponandraitry ny Castel, ny orinsa mendrika teo aloha, ny Ecofarm sy ny Lycheeland, samy nahazo ny loka 2022.
Njaka A.