Handisport-« Jeux Mondiaux d’Eté » : mila fanohanana ireo atleta 3 mianadahy

Mila fanampiana izy telo mianadahy hiatrika ny fifa­ninanana «Jeux Mondiaux d’Eté», izay hatao any Berlin ny 17 – 24 jona ho avy izao. Roa lahy sy vavy tokana no handeha hanao izany fifaninanana natokana ho an’ireo olona manana fahasembanana izany. Anisan’izany Nambi­nintsoa Edouard sy Randria­nandraina Larissa, amin’ny taranja hazakazaka 100 sy 200 metatra, raha toa ka Rako­tondramanana Lucas, ny «lancer de poids» sy ny lomano.
Tafiditra ao anatin’ireo firenena 170 mandray anjara amin’ny «Jeux Mondiaux d’Eté», izay atao isakin’ny efa-taona i Madagasikara. Mbola baraingo anefa ny fa­hafahan’ireo atleta malagasy 3 hiatrika izany, ka mangataka fanampiana ny federasiona misahana ny olona manana fahasembanana eto amintsika (PFPH MAD).

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: