Faritra arovana Boeny: famatsiam-bola maharitra sanda ara-toekarena

Tafatsangana tamin’ny volana avrily teo ny Vovonana iraisan’ny mpitantana ny faritra arovana any amin’ny faritra Boeny (PGAPB). Anisan’ny nampahafantarina ny sanda ara-toekarena any amin’ireo faritra arovana (AP), mba entina hitondra fampandrosoana, fa tsy mionona amin’ny fiarovana na fandrarana intsony.

Nikarakara atrikasa mikasika izany ny Tahirimbola ho an’ny faritra arovana sy ny tontolo mananaina eto Madagasikara (FAPBM). Nohazavaina fa miteraka harena ny zava-boaary. Maro ny tolotra azo avy amin’ny firafitry ny tontolo voajanahary ho an’ny olombelona. Ao anatin’izany ny sakafo, ny rano, ny angovo, ny zava-maniry atao taozavatra. Mandrin­dra ny toetr’andro sy ny toe-tany koa, mandrafitra ny nofon-tany sy ny any ambanin’ny tany. Manana ny lanjany eo amin’ny lafiny kolontsaina, ny maha olombelona (vatana, tarehy), ny ara-pinoana, ny fanabeazana, sns.
Miisa fito ny faritra arovana any Boeny. Maro ny otrikarena, toekarena, omen’ ny AP any an-toerana, toy ny hazandrano an-dranomamy sy an-dranomasina, ny fiompiana trondro an-dombo, ny tantely, ny landibe, ny rary, ny mahabibo, ny vary, ny voanjo, ny voly legioma, ny fiompiana, ny fizahantany, ny sira, sns.

Avo dimy heny

Ho an’ny AP Mahavavy-Kinkony (CMK), Antrema ary Ankarafantsika, fotsiny, tombanana ho 20,060 miliara Ar (4,591 tapitrisa dolara) isan-taona ny saram-pitantanana ny faritra arovana, araka ny tatitra nataon’ny FAPBM. Avo dimy heny amin’io anefa ny anjara ara-toekaren’ireo toerana telo ireo, mahatratra 101,649 miliara Ar (23,264 tapitrisa dolara). Nambaran’ny tomponandraikitry ny FAPBM, fa tokony hisitraka maharitra ny rohivoahary azo avy amin’ny AP ny vondron’olona eny ifotony sy ny mponina, rehefa mirindra tsara ny fomba fitantanana azy. Singanina amin’izany ny any amin’ny Faritra arovana vaovao (NAP) Bombetoka, nitentina 1,910 tapitrisa Ar ny vola azon’ny fikambanam-behivavy mpanao asa tanana avy amin’ny fanenomana lamba landy, ny taona 2020, ary torak’izany koa ny 2021. Nitombo ho 3,65 tapitrisa Ar izany, ny taona 2022.

Famatsiam-bola maharitra

Nahatratra 2 tapitrisa Ar ny vola nampidirin’ny fizahantany tany amin’ny NAP Antrema, ny taona 2021 ary tafakatra 3 tapitrisa Ar, ny taona 2022. Nahatratra 5,149 tapitrisa Ar ny vola azo avy amin’ny tantely, ny taona 2021, tany amin’ny NAP Mahavavy Kinkony, ary tafakatra 8,750 tapitrisa Ar, ny taona 2022.

Paikady mila hapetraka ny hisian’ny famatsiam-bola maharitra hampandehanana ny faritra arovana avy
amin’ireo harena aterany ireo, ho vahaolana amin’ny fitantanana ny AP. Ao ana­tin’izany ny fametrahana rafitra ahafahana mizara ara-drariny ny tombontsoa ho an’ny vondrona olona ifotony. Amin’izay fotoana izay, tsy miantehitra amin’ny vola omen’ny tetikasa na fandaharanasa, satria mandalo sy voafetra ihany ireny.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: