Mbola mitohy ny fahatapahan-jiro lavareny ao Toamasina. Tsy araka ny fanambarana nataon’ny tomponandraikitry ny jirama intsony ny zava-misy, izay nilaza fa adiny roa isan’andro ny fahatapahan-jiro. Ankehitriny, tapaka intelo isan’andro izany ka maharitra adin’ny efatra anatin’ny iray andro. “Ao amin’ny fokontany Morafeno sy ny manodidina, tapaka tamin’ny 2 ora latsaka fahefany tolakandro ny herinaratra ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 5 ora hariva”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao ao an-toerana. Manginy fotsiny anefa, hoy izy, ny delestazy amin’ny alina ao amin’ny fokontany Analakininina hopitaly Be. Potika ny fiharian’ny mponina. Amin’ izao, miantraika amin’ny fampianarana indray izany. Araka izany, voatery mandrava ny mpianatra aloha ny mpanabe any an-tsekoly noho ny haizina. Sakana ihany koa ny fanamafisana ny fianarana (cours) ataon’ ny mpianatra noho ny tsy fisian’ny herinaratra. Manahy ny hoavin’ny mpianatra ireo ray aman-dreny. “Ny vola miditra mihena, ny entana anaty vata fampangatsiahana simba, ny asa fanaovam-bolo tsizarizary mbola voahenlingelina ihany koa ny fianaran’ny ankizy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mponina ao Toamasina.
Sajo/Henintsoa H.