Mitaky maripana, manaja ny fenitra takina ny fitehirizana ny vaksiny. Nahazo fitaovana arifomba avy amin’ny governemanta amerikanina i Madagasikara hanampy ireo efa amperinasa amin’izao fotoana.
Nanolotra fitaovana arifomba ho an’ny fitehirizam-baksiny, mitentina 4,5 miliara Ar, ho an’i Madagasikara ny governemanta amerikanina. Amin’ny alalan’ny USAID Impact no naaovana izany ka tanterahin’ ny PSI Madagascar. Natao tany Toamasina ny sabotsy teo ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy. Hisitraka ny fitaovana ireo ny faritra 5, Atsinanana, Analanjirofo, Matsiatra Ambony, Fitovinany ary Melaky.
Tanjona iombonana ny hanamafisana ny fiarovana ny vahoaka malagasy manoloana ny karazana valanaretina. Iankinan’ny fahombiazan’ny vaksiny ny fitehirizana azy sy ny fanajana ny fenitra takina momba izany ka mahatonga ny fampitaovana arifomba.
“Mamatsy ireo distrika rehatra eny amin’ny faritra ny vaksiny hotehirizina ao anatin’ireo fitaovana vaovao ireo”, hoy ny minisitry Fahasalamam-bahoaka, Andriamanantany Zely.
Amin’izao fotoana, efa manana vata fampangatsiahana ahafahana mitahiry ny vaksiny ny CSB miisa 2567. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro avokoa izany. Faritra 6 kosa no manana efitrano manokana manara-penitra. Misy vata lehibe fampangatsiahana mitahiry ireo karazam-baksiny rehetra.
Amin’ity taona ity, mbola misy vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, miisa 365, ho an’ny CSB sy ny hopitaly lehibe mbola andrasana. Ankoatra izany ny efitra arifomba misy vata fampangatsiahana vaventy apetraka amin’ny faritra tsy mbola manana azy.
“Saro-pady ny fitehirizana ny vaksiny ary iankinan’ny ain’ny olona izany ka tsy tokony ho ambanin-javatra ny fanajana ny fepetra rehetra. Fitaovana arifomba ary olona efa nahavita fiofanana, araka izany, no mikirakira ireny fitaovana ireny.”, hoy hatrany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamanantany Zely. Nanamafy ny tokony hikojakojana ny fitaovana mba hampateza azy sy hampahomby tsara ny fitehirizana, ihany koa izy.
Tatiana A