Hépatite B : areti-mandoza sy mamono mangina

Hotanterahina tsy hoela eto Madagasikara ny tetikasa ha­hafahana miady amin’ny aretina hépatite B. Karakarain’ny fikambanan’ny mpitsabo amerikanina, mivondrona ao
amin’ny fikambanana “hépatitis B free”. Vinavinaina haharitra 3 taona ary hahiditra ao amin’ny tetikasan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanjona ny hahafahana miady amin’ny fiparitahan’ny aretina maneran-tany.

“Areti-mandoza, mahafaty, mamono mangina ary mora mifindra ny hépatite B”, hoy ny Chef Medical Officer, Hepatitis B free, Pr David Hilmers, raha nanontaniana teny amin’ny hopitaly Befe­la­tanana, ny zoma teo. Tsy ma­hafantatra fa marary sy voan’ ny aretina ny ankamaroan’ny olona raha tsy efa mibontsina be ny kibony ary manomboka mandoa ra izy. Nilaza izy fa ratsy ny aretina hepatite ary tokony ho fantatry ny olona sy hanana fitondran-tena manoloana izany ny marary. “8 – 25% ny vahoaka malagasy voan’ny aretina eto Ma­da­gasikara”, hoy ny Professeur Titulaire Hépatologue,CHU Befelatanana, Ramanampa­monjy Rado. Ankoatra ny homamiadana, mahafaty olona an-tapitrisa isan-taona maneran-tany ny aretina hépatite B. Mifindra amin’ny alalan’ny reny bevohoka ny endrika fiparitahan’ny aretina betsaka indrindra ho antsika eto an-toerana. No ho ny tsy fahampian’ny vaksiny ho an’ny olon-drehetra, indrindra ny zaza vao teraka. Ankoatra izay, mifindra amin’ny alalan’ny ra sy ny firaisana ara-nofo ihany koa izy io.

Fanaovana test

Hanampy betsaka ny va­ho­aka malagasy noho izany ny tetikasa mba hisorohana sy hitsaboana ireo marary. Eza­hina ny anaovan’izy ireo vaksiny, indrindra ny vehivavy bevohoka sy ny zaza vao teraka. Ampitomboina ny isan’ny olona hanao test sy ny anomezana fanadofy ireo marary. Mba hanahenana ny fanaintainana mahazo azy sy ny fahasarotana mety hiseho ary hanenana ny fiparitahan’ny aretina amin’ny olon-kafa. “Entanina ny rehetra mba hiara-hientana amin’ny fiadiana ny aretina”, hoy ny Chef de Clinique en Hépato-gastroentérologie CHU Befelatanana, Dr Rakotozafindrabe Rinà.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: