Faritra Atsinanana: 34% ny taham-panaovana vaksiny

Ampy ho an’ny distrika rehetra mandritra ny taona ny vaksiny ao amin’ny tobim-baksinin’ny faritra Atsinanana, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra misahana ny an­tontan-kevitra, Rahari­ma­na­na Honoré.
Nahatratra 34% ny tahan’ny fanaovam-baksiny amin’ny ankapobeny ao an-toerana. Ho an’ny vaksiny miaro amin’ny aretina covid-19, anisan’ny be mpampiasa ny Janssen. 84% kosa ny tahan’ny fanaovam-baksiny ho an’ny zaza. Tanjona ny hampiakatra ny salanisa ho 90% hatramin’ny faran’ny taona.
Nanao ezaka manokana ny tomponandraikitry ny fahasalamana ao amin’ny faritra Atsinanana hanatrarana io salanisa io. Sesilany ny fanentanana, hatrany amin’ny distrika alavitra indrindra aza.
Nanome toky ny tomponandraikitra fa azo antoka ny vaksiny ary manaraka ny fepetra fitehirizana amin’ny mari-pana takina. Manana angovo manokana mamatsy herinaratra ny trano fitehirizam-baksiny raha sanatria ka misy fahatapahan-jiro ny ao amin’ny toby fitehirizana.

Voahaja hatrany ny hatsiaka takina mba tsy hanova ny vaksiny na hanimba azy miala any amin’ny foibe hatrany amin’ny CSB.

Tatiana A

Partager sur: