covid-19 : misy tranga vaovao 19

Mbola hita eny anivon’ny fiarahamonina ny valanaretina covid-19. Manaporofo izany, indrindra ny tatitra navoakan’ ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka, satria nahitana tranga vaovao 19 indray tao anatin’ny herinandro farany. Mitontaly 26 kosa ireo mitondra ny aretina.
Midika izany fa tsy mbola foana velively ity aretina ity. Miaina miaraka amin’ny fiarahamonina eny ka mila mailo sy mitandrina. Miditra tsikelikely amin’ny hatsiaka rahateo isika izao ka fotoana mampirongatra ny karazan’aretina, indrindra ny gripa mahery izany mitovitovy soritraretina amin’ny covid-19.

Ireo tsy salama mila manaja ny fepetra ara-pahasalamana rehetra mba tsy hamindra
amin’ny hafa. Mila manatona haingana ny tobim-pahasalamana ihany koa mitsabo tena mba tsy ho tonga amin’ny tranga misy fahasarotana.

Tatiana A

Partager sur: