Minisitra Resampa André Haja : «Sady hisy no ho tsara ny lalaon’ ny Nosy hatao eto Madagasikara»

Manoloana ny resabe sy fanahiana iainan’ny atleta sy ny vahoaka malagasy, amin’ny hisian’ ny lalaon’ny Nosy 2023 na tsia, nanazava ny sain’ny rehetra ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja .

Gazety Taratra(*) : Efa-bolana tsy higadonan’ny lal­a­on’ny Nosy, izay kasaina hatao eto Madagasikara, ma­nao ahoana ny zava-misy ? Inona ny azo ambara ?
Minisitra André Haja Resampa (-): Mahitsy ary hentitra aho no milaza amin’ny Malagasy rehetra anio fa hisy ary ho tsara ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madaga­si­kara. Tsy sasatra miasa andro aman’alina ny ekipan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, handraisana ity Lalao hiarovana ny voninahi-pirenena ity. Tsiahiviko fa ny filoha, Andry Rajoelina, mihitsy no nangataka ny hanaovana ny JIOI 2023 eto amintsika, ka tsy misy antony tokony tsy hahatanterahany.

*Inona no vita, inona ny mbola tsy vita ? Vonona ve i Madagasikara?
– Raha ny zava-bita efa maro. Hivoaka afaka fotoana fohy ny «Mascotte» sy ny «lo­go» hamantarana ny lala­on’ny Nosy 2023. Mifandray tsy ta­pa­ka amin’ny Nosy rahavavy m­pandray anjara sy ny filohan’ny CIJ (Comité Inter­national des Jeux des îles), i Anthonio Gopal, aho ary mandroso ny asa. Efa voafaritra avokoa ny to­erana sy ny kianja handray ny taranja tsirairay ary ny fitsipika mifehy ny fifaninanana isan-taranja. Torak’izany koa ireo hotely handraisana ny de­le­gasiona vahiny. Ireo Nosy rahavavy aza mampiseho ny fahavononany, mainka fa isika mpampiantrano. Vonona amin’ ny 98 isan-jato i Madagasikara, amin’ny fandraisana ny lala­on’ny Nosy 2023.

*Manao ahona ny fotodrafitrasa? Ho tratra ve amin’izao volana vitsy sisa izao?
– Ekeko fa misy ny fahatarana amin’ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa sasantsasany, saingy efa manao ny ainy tsy ho zavatra ny fitondram-panjakana ary miasa haingana. Manome toky aho fa ho vita alohan’ny fe-potoana hanombohan’ny lalao avokoa ireo fotodrafitrasa rehetra. Ho avy eto rahateo ny CIJ amin’ny 15 mey izao hijery ireo fotodrafitrasa ireo ka vao mainka mandrisika anay hiasa haingana izany.

*Eo amin’ny lafiny fampivondronana sy fanomanan-tena kosa? Toa miady irery ny atleta sy ny federasiona?
– Aoka tsy hodiana tsy hita ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fanomanana ireo atleta. Ekeko fa tsy mbola nisy ny fampiantsoana fampivondronana iraisana, saingy kosa hiarahana mahita kosa ireny atleta lasa tany Chine ireny hanoman-tena. Efa nisy ny manam-pahaizana avy any ivelany tonga mizara traikefa eto an-toerana, toy ny taranja tolona. Efa maro ny atleta sy mpilalao amin’ny taranja sasany mankany ivelany miatrika fiofanana ary mi­tondra ny fanampiana amin’ ireny ny minisiteran’ny Ta­no­ra sy ny fanatanjahantena. Mbola hisy atleta ho any ivelany ato ho ato ary efa tena mari-pototra izany. Na izany aza, lazaiko androany fa hanomboka ny fampivondronana ny taranja iraisana toy ny handball, amin’io herinandro ho avy io. Ha­na­raka miandalana eo ny ta­ranja hafa fa eo am-pandaminana farany ny ekipa. Ma­ri­hi­ko tsara fa efa nandalo tao amiko sy niresaka tamiko avokoa ny filohan’ny federasiona tsirairay ary niara-nijery ny fa­no­manana ireo atleta izahay. Mivory in-droa isan-kerinandro izahay mandamina izany re­­hetra izany. Mety hoe miasa mangiana angamba izahay ka tsy misy mahita. Tsipihiko tsa­ra fa miantso ny KOM izahay hiara-hivory aminay, amin’ny fanomanana ity lalaon’ny No­sy ity saingy matetika izy ireo no tsy tonga amin’izany, ka iza­ny angamba no mahatonga azy ireo tsy mahita ny ezaka atao.

*Manao ahoana kosa ny tetibola?
– Laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ma­nan-danja amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Vonona ny firenena malagasy amin’ny hoenti-manana hiatrehan’ny lalaon’ny Nosy 2023.

Nangonon’i Mi.Raz

Partager sur: