Hiatrika ny dingana fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety 3×3, ny Ankoay vehivavy, ny 6 sy 7 mey izao. Anio no hanainga ho any Israely ny delegasiona malagasy hiatrika izany fifaninanana izany. “Marina fa mafy ny ekipa hifandonana saingy nanoman-tena ny Ankoay, ka miandrandra ny ho tafiditra anatin’ireo ekipa 3 mendrika”, hoy ny nambaran’ny mpanazatra ny Ankoay vehivavy, Razananirina Prisca. Mialoha ny fiaingana, maro ny orinasa tsy miankina, manohana ny ekipam-pirenena malagasy. Nisy ny nanolotra “polo” sy vatsin-dalana ho an’ny Ankoay lehilahy sy vehivavy, mialoha ny hiaingan’izy ireo hiatrika ady any Israely.
Hiatrika ny “World Cup 3×3”, hatao any Autriche, miaraka amin’ny Ankoay lehilahy ny Ankoay vehivavy, ny 30 mey hatramin’ny 4 jona izao, raha toa ka mahazo ny tapakila. Etsy ankilany, hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny latsaky ny 19 taona ihany koa ny Ankoay U19, ny 24 jona hatramin’ny 2 jolay izao, any Hongrie. Vao tafaverina avy any Frantsa ireo mpilalao, ny alahady lasa teo, avy niatrika fiofanana sy lalao ara-pirahalahiana tamin’ireo ekipa U21 maromaro tao Frantsa sy tao Rennes.
Mi.Raz