Nomarihina ny 29 avrily lasa teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy. Maro ny hetsika notanterahina teto Antananarivo. Nivoitra taorian’izany ny hikarakarakana “ Festival”.
Ny 29 avrily teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy. Ny alatsinainy 1 mey kosa no nomarihina izany, tetsy amin’ ny Ivokolo Analakely. Ankoatra ny fampisehoana, anisan’ny vaovao lehibe nivoaka ny hikarakarana “festival” lehibe ho an’ny dihy eto Madagasikara. Efa maro ireo karazana hetsika lehibe miompana amin’ny dihy any ivelany, ary saika manana solontena mandray anjara amin’izany foana ny Malagasy. Porofo ireny fa manan-talenta amin’ny dihy isika, saingy tsy ampy ny sehatra hivelarana sy hanehoan’ireo mpandihy ny talentany. Efa misy ihany ireo hetsika ho an’ny dihy fanao eto amintsika, saingy ity kosa dia anisan’ireo fandaharanasa lehibe homanin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.
Hisy vatsim-pianarana
Tetikasa izay mifampitohy amin’ny fananganana ny Akademiam-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina (Anac), izay miandraikitra manokana ny fanofanana ireo mpisehatra amin’ny zavakanto izany, ka anisany ny dihy. Hisy, araka izany, ny fitiliana ireo mpianatra mendrika,
ka hisitrika vatsim-pianarana ao amin’ny Anac izy ireo. Handalo ny dingam-pampiofanana rehetra, mba hanana ny lenta sy ny diplaoma izay takina ihany koa amin’ny fandraisana anjara amin’ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny dihy.
Tarika mpanao soradihy maherin’ny 40 no nifandimby an-tsehatra, teo ivelan’ny Ivokolo sy tao amin’ny efitrano Charles Ravaloson, afakomaly. Voasolotena avokoa ny karazan-dihy rehetra, na dihy ankehitriny, na ny nentim-paharazana, ankoatra ireo karazany hafa iraisam-pirenena. Tsikaritra ihany koa fa seha-kanto iray mahaliana ny zatovo sy ny tanora ny dihy, ary maharitra kokoa izy ireo anatin’ny fitrandrahana izany, na mandeha tokana na anaty tarika.
Zo ny Aina




