Fiarovana ny tontolo iainana : hahazo famatsiam-bola 200 tapitrisa Ar ny tetikasa mendrika

Anatin’ny politikim-panjakana ny fandraisana andraikitra sy fampirisihana ny sehatra tsy miankina hiroso amin’ny fampiroboroboana maharitra ny harena voajanahary. Antony nahatonga ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, miaraka amin’ny ny BNI Madagascar niara-niasa. Na­tao sonia omaly, tetsy Ambo­divona, ny fandaharan’asa BNI Lovainjafy.
Araka izany, nisokatra niaraka amin’izay ny fifaninanana tetikasa fiarovana ny tontolo iainana. Afaka misoratra anarana ao amin’ny tranokalan’ny BNI Madagascar ny mpandraharahana sy izay manana tetikasa mifanaraka amin’izany. Haharitra hatramin’ny 31 jolay ny fahafahana manao izany. Aorian’io, hahazo famatsiam-bola sy fampindramam-bola hatra­min’ny 200 tapitrisa Ar avy amin’ny BNI Madagascar ny tetikasa efatra tsara indrindra.
Ankoatra izay, mbola hisitraka fanohanana 15 tapitrisa Ar avy amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy miaraka amin’ireo mpiara-miasa rehetra amin’izany ihany koa izay mendrika.

Miantraika mivantana
“Mifampiankina betsaka ny toekarena sy ny sosialy, ny fiovan’ny toetr’andro, ny tontolo iainana, izay indrindra no nampirisika anay hanao ity fandaharanasa ity”, hoy Ra­lijaona Ramaholimasy, mpanolotsaina ny tale jeneralin’ny banky. Fihariana ho an’ny mponina, hitondra asa sy fanavaozana amin’ny fiainan’ ny rehetra ny fandahara­nasa.
Arak’izany, tetikasa tokony hiantraika amin’ny rehetra sy haharitra ho lovainjafy no hifaninanana. Eo ihany koa ny fampiroboroboana sy fiarovana ny tontolo iainana sy hamaha ny olana amin’ny lafiny sosialy sy toekaren’ny vahoaka. Andiany voalohany ity fifaninanana ity. Ezahina hatao isan-taona izany, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

Henintsoa Hani

Partager sur: