« Coupe René Ramanitrandrasana » : nanjaka ny klioban’ny Karate Kokaju

Nanjakan’ny klioba Kara­te Kokaju, Analamanga, ny fiadiana ny amboaran’ny “Cou­pe Hanshi René Ramani­trandra­sana”. Nandrombaka medaly volamena miisa 7 sy alimo 6 ny klioba, nandritra ny fihaonana natao teny Ambatobe, ny sa­botsy lasa teo. Notolorana lelavola, 100. 000 Ar, miampy amboara avokoa ireo tompondaka isan-tsokajy. 50.000 Ar ny faharoa. Afa-po ny mpikarakara, tonga avokoa ny klioba nasaina, toy ny Tigers sy Akka, ary ireo solontena avy any amin’ny faritra. Nahatonga solontena ny avy any Vakinan­karatra, izay nahazo ny tompondaka lefitra tamin’ny alalan’i Tojo­soa.
Araka ny fanambarana nataon’ny Sensei Rakotoni­rina Marcel, filohan’ny kaomisionina mpikarakara ny fifaninanana, natao hampivoarana ny Karate eto Mada­gasikara ny lalao.
“Tonga marobe ireo mpan­dray anjara. Hita fa betsaka ny ankizy sy tanora liana amin’ny taranja karate. Ve­lombolo tanteraka izahay mpikarakara.” hoy Sensei Rako­tobe Charlie, vaomiera teknika ho an’ny faritra Ana­la­manga.
Anisan’ny nahafahana na­hatontosa ny hetsika rehetra, nandritra ny fahatongavan’i Hanshi Ramanitrandrasana René, ny filoha tale jeneralin’ny Redland, Ylias Akbaraly.

Fitia
(Mpianatra asa)

Partager sur: