Tsy ampy ny mpampivelona: 10 isan’andro ny vehivavy bevohoka maty

10 isan’andro ny vehivavy maty eo am-piterahana na eo am-pitondrana vohoka noho ny tsy fahampian’ny mpampivelona. Mpampivelona 2,5 no miahy vehivavy 10000 isa eto Madagasikara.

Nifampizara fahalalana tamin’ny mpanao gazety ny fikambanan’ny rasazy, omaly, teny amin’ny foiben’ny Nations Unies, Andraharo. Fihaona­na nokarakarain’ny UNFPA (Agence des Nations Unies pour la santé séxuelle et Reproductive). Nivoitra fa, anisan’ny miantoka ny fahaveloman’ny reny sy ny zaza vao teraka ny mpampivelona. Miantoka ny fahasalaman’ny fitaovam-pananahana ihany koa ireo rasazy. Ma­hatratra 10 isan’andro ny vehivavy maty noho ny fahasarotana miseho eo am-piterahana sy eo am-pitondrana vohoka, raha ny tatitra navoakan’ny UNFPA, tamin’ity taona ity.
Ankoatra izay, maro amin’izy ireny no tsy misitraka fitsaboana araka ny tokony ho izy. Tsy ampy ny mpitsabo sy ny mpampivelona, indrindra any Ambanivo­hitra. Manodidina ny 2.5 ireo mpampivelona miahy ny olona 10.000. Manodi­dina ny 4.45 ny infirmiera sy mpampivelona, ary ny mpitsabo tokony handray olona 1000 maneran-tany.

Tsy ampy
Sady maro no miroborobo ny sekoly mampiofana ny ankizy ho lasa mpampivelona eto Madagasikara. Enina ihany anefa no nahazo fankatoavana avy amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Tsy ampy ny fahalalana omena ny mpianatra amin’ireny toeram-pianarana ireny, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny UNFPA.
“Mba hahazahoana iza­ny, ilaina ny rafitra ara-dalàna mifehy ny toeram-pianarana mampiofana ny mpampivelona eto Madaga­si­kara. Ilaina ihany koa ny fanaraha-maso ny asa sy ny hanamifasana ny fahalalan’izy ireny manerana ny faritra 11. Tanjona ny hahazahoan’ireo mpianatra fahalalana feno sy tsara mba hiarovana ny fahasalamana sy ny fahaveloman’ny vehivavy sy ny zaza.”, hoy ny tomponandraikitra.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: