Fondation Axian-First Immo : notokanana ireo trano vaovao 20 eny amin’ ny Akamasoa

Notokanana ny faran’ny herinandro teo, ny trano vaovao miisa 20, eny amin’ny Akamasoa, Mangarivotra. Toerana fandraisana ireo fianakaviana tsy manan-kialofana. Fiaraha-miasa amin’ny Fondation Axian sy ny First Immo ary ny Akamasoa no nahavitana izany.
Tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ilay fandaharanasa Tafontsika ireo trano vaovao 20, ho an’ny fianakaviana sahirana ireo. Te­tikasa novolavolain’ny Fon­da­tion Axian ary efa natomboka tamin’ny novambra 2022. Fananganana trano mi­isa 10 tao amin’ny Aka­masoa Andralanitra no ni­santarana izany.
Tanjon’ny fandaharanasa ny hisitrahan’ireo fianakaviana sahirana trano azo honenana sy manaja ny fenitra maha olona. Entina ha­natsarana ny fiainan’ireo marefo ihany koa izany. Mitontaly 30, ny trano naorina teny amin’ny Akama­soa.
Mikendry ny hanome trano ho an’ny tanànan’Aka­masoa, araka izany, ny fandaharanasa Tafontsika. Efa an’arivony ny olona ampiatranoin’ny mompera Pedro eny an-toerana ka tsy maharaka ny trano, izany indrindra no anton’ny fananganana. Ma­rihina fa mivelona amin’ny fitsimponana ny fako eny Andralanitra ny ankamaroan’ny mponina eny an-toerana.
Nanotrona ny fitokananany trano vaovao ny avy ao amin’ny Fondation Axian, Hassanein Hiridjee sy Isa­bel­le Salabert.

Tatiana A

Partager sur: