Fiahiana sosialy : horesahina ny mikasika ny RSU

Tanterahina any amin’ny faritra Atsinanana nanomboka omaly, ny hetsika “Iray volan’ny fiahiana sosialy”, karakarain’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy.
Hiompana amin’ny lohahevitra maro ny lahadinika, ka horesahina anio, ao amin’ny Academy Centre ny mikasika ny “Régistre Sociale unique” na RSU. Fitaovana iray manan-danja mirakitra ny lisitra sy ny mombamomba ireo mpisitraka ny fiahiana ara-tsosialy tsy arahina latsakemboka ny RSU. Eo andalam-pizorana amin’ny fametrahana izany i Madagasikara mba hanamorana ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso ny fivoaran’ireo tokantrano tena marefo.
Zava-dehibe ny fananana an’io lisitry ny mpisitraka ny fiahiana sosialy io, hahafahana manara-maso ny fivoaran’ny fihariany sy hampahaleo tena azy ireo ara-pivelomana.
Nisy ny fifanakalozana traikefa mahakasika ny fampiharana ity RSU ity tany Djibouti, niarahana tamin’ireo delegasiona malagasy. Tafiditra hatrany ao anatin’ny fampivoarana ny sehatry ny sosialy sy fitsimbinana ireo fianakaviana marefo hatrany ny kendrena ao anatin’izany.

Tatiana A

Partager sur: