Hifandona amin’ny lalao ampahavalon-dalana “Playoff 2023”, amin’ny fifaninanam-pirenena, Orange Pro League, ny CFFA sy ny Ajesaia. Hatao amin’ny 2 jolay ny lalao famaranana.
Ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Ajesaia Bongolava no hihaona voalohany amin’ny lalao ampahavalon-dalana, mandroso, fifaninanam-pirenena «Playoff 2023 OPL». Hotanterahina ny 13 mey ho avy izao, eny Ambohidratrimo ny fihaonan’ny roa tonta. Nivoitra izany tamin’ny valan-dresaka nataon’ny tomponandraikitra tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina. Ny 27 mey ny lalao miverina, ho an’ny CFFA sy ny Ajesaia, fifanandrinana atao ao amin’ny kianjan’ ny Elgeco Plus, By-pass. Marihina fa, ny ekipan’ny Bongolava, izay nahazo ny tapakila farany tao amin’ny kaonferansy avaratra, raha toa ka ny mpilalaon’Andoharanofotsy nahazo izany voalohany ho an’ny atsimo.
Ankoatra izay, hisy ny fanatsarana ny fifanintsanana OPL, noho ny fitarainana voarain’ny CFEM, tarihan-dRakotoarimanana Henintsoa. Efa mitsangana ny kaomisionina mikarakara izany.
Araka ny fanazavan’ny mpikarakara ny «Playoff», misy ny «match d’appui» raha misaraka ady sahala ny ekipa mpifanandrina mandritra ny lalao mandroso sy miverina. Natao 72 ora aorian’ilay lalao farany izany. Mihatra hatrany amin’ny manasa-dalana ny «match d’appui».
Ny 13 -14 mey no hanaovana ny lalao ampahavalon-dalana mandroso, ny 27-28 mey ny lalao miverina. Hotanterahina ny 10-11 jona ny dingana voalohany ho an’ny manasa-dalana. Ny 24 jona ny dingana faharoa. Hotontosaina ny alahady 2 jolay, eny amin’ny kianjan’ny Barea ny famaranana ny OPL.
Tsy misy idiran’ny filoha
Raha ny fanazavan-dRakotoarimanana Henintsoa, filohan’ny CFEM, tsy mandamina ny korontana misy any amin’ireo klioba izy ireo. “Nizara roa ny mpitantana ny Tsaramandroso Formation FC Boeny, ka izay manana “certificat de conformité” ara-dalàna no ekena. Raha ny vaovao voarainay, mizara roa ny mpilalaon’ny TFFC. ”, hoy izy.
Ho an’ny 3FB Toliara indray, niova mpitantana izy ireo ary manana ny taratasy ara-dalàna tsara. Izy ireo ihany no niantso ny mpikarakara fa atao eny amin’ny Elgeco, by pass, ny lalao noho ny fijanonan’ireo mpilalao teto an-drenivohitra. Marihina fa rehefa vita ny fifaninanana OPL vao hamoaka ny sazy ho an’ireo ekipa tsy manaraka ny fepetra ny CFEM.
Fitia (Mpianatra asa)
Fandaharan-dalao amin’ny ampahavalondalan’ny “Playoff”
Lalao mandroso :
13 /05/2023
Kianja Ambohidratrimo
Ajesaia vs CFFA
Kianja Toamasina
AS Fanalamanga vs Elgeco Plus
14/05/2023
Kianja Fianarantsoa
Mama FC vs Cosfa
Kianja By-pass
Disciples FC vs Fosa Junior
Lalao miverina :
27/05/2023
Kianja By –pass
CFFA vs Ajesaia
28/05/2023
Kianja Mahajanga
Fosa Junior vs Disciples Fc
Kianja By-pass
Elgeco plus vs As Fanalamanga
Marihina : Cosfa vs Mama Fc (Tsy mbola fantatra ny fotoana sy ny toerana)