“Prize money” 500.000 Dolara: “Mitaky ny mangarahara amin’ny FMF ny Barea Chan”

Naneho firaisankina amin’ny fitakiana ny mangarahara mahakasika ny “Prize money”, mitentina 500.000 dolara ho an’ny mpilalao sy ny staff, ny Barea nanao Chan Algerie 2022. Raha ny filazan’ireo mpilalao malagasy, efa ela no tonga ilay vola saingy tsy fantatr’izy ireo izay hanaovan’ny federasiona malagasin’ ny baolina kitra izany.

“Mitaky ny mangarahara eo anivon’ny federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF) izahay, mahakasika ilay “Prize money” mi­tentina 500.000 dolara, ho anay mpilalao sy ny Staff”, hoy ireo mpilalaon’ny Barea, nanao Chan Algerie 2022, omaly, tao anaty tambajotra-tserasera sosialy “Facebook”.
Araka ny fanazavan’izy ireo, mbola miandry ilay taratasy avy any amin’ny Fifa sy ny kaonfederasiona Afrikani­nan’ ny baolina kitra (Caf) ny FMF vao afaka manome ilay tambin-karama “Prize mo­ney”.
Raha ny filazan’ireo mpilalao niaro ny voninahi-pirenena malagasy, nandritra ny Chan, efa nifanaraka tamin’ireo so­lontenan’ny FMF nankany Alge­rie izy ireo fa atao amin’ny mangarahara tsara ny fizarana ny vola, saingy nahagaga azy ireo ny fisian’ny vola omena ny ligy.
Tsiahivina fa, ilay tambim-pankasitrahana avy amin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry sy ny avy amin’ny orinasa Telma ary ilay “prime” 150.000.000 Ar avy tamin’ny FMF ihany no azon’ny Barean’ i Madagasi­kara, hatramin’izao.

Ny hevitry ny FMF
Araka ny fanazavana voaray teny anivon’ny FMF, mi­la­za izy ireo fa niresaka mahakasika izany afakomaly, teny Isoraka. “Nisy ny fandefasana taratasy tany amin’ny Fifa, rehefa novalian’ity fi­kam­banana maneran-tanin’ny baolina kitra ity izany, na­nambara izy ireo fa vola “sym­boliques” ihany no atolotra ny mpilalao sy ny staff. Nanapa-kevitra ny hampivory ireo mpilalao sy ny staff Barea nanao Chan ny Fmf, ka nilaza tamin’izy ireo fa hangataka soso-kevitra vaovao hafa avy amin’ny Fifa, tsy mety raha vola “symboli­ques” ihany no omena azy ireo, raha ny zava-bita no jerena.” Hoy ilay loharanom-baovao iray, teo anivon’ny Fmf.
Nohamafisiny loharanom-baovao, efa tonga tokoa ny vola. Miandry io taratasy avy amin’ny Fifa io izy ireo vao afaka miroso amin’ny fitsinjarana ny vola. Raha ny vola mahakasika ny ligy, nangatahana tamin’ireo mpilalao ny hanomezana sombim-bola ho an’ireo ligy sy ny klioba nipoiran’izy ireo, mba ho fankasitrahana ny faneken’izy ireo handefa mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena, saingy nolavin’izy ireo izany.
“Izahay no nilalao teny ambony kianja ka aleo ho anay ny vola”, hoy ireo mpilalao Barea, raha ny fana­zavan’ity loharanom-baovao eny amin’ny Federasiona ity.

Fitia (Mpianatra asa)

Fanambarana nataon’i Tantely, kapitenin’ny Barea
“Salama daholo tompoko! Eto ny tenako dia manamafy fa mbola tsy nandray io “Prize money” io ny Barea chan, raha nifampiresahana tamin’ny Fmf, ny alarobia lasa teo, misy taratasy avy aminy Fifa izay tsy nomena novakinay nandritra io fotoana io, izay tsy misy fitomboka sy sonian’ny Fifa, ary milaza ihany koa ry zareo fa mizara amin’ireo ligy ny vola, rariny loatra izahay raha manao fitarainana, tsy mendrika ho anay izao, nangataka an’ilay taratasy avy any aminy Fifa moa izahay saingy ny valinteny azonay, tsy misy “documents” mivoaka ato amin’ny Fmf, efa mampanahy ny Face­book.”

Partager sur: