Vaovao tsara eo anivon’ny fanatanjahantena malagasy. Voafidy ho filoha lefitra eo anivon’ny Kaonfederasiona Afrikaninan’ny Surf (Kas), ny filohan’ny federasiona malagasy, i Roger Faustinato. Nandritra ny fivoriambe narahana fifidianana, natao tany Dakar Sénégal, tamin’ny 23 avrily lasa teo, no nahafantarana izany. Teratany Senegaley kosa no lany ho filoha, ilay kandida tokana. Efatra moa no lany ho filoha lefitra eo anivon’ity kaonfederasiona ity, anisan’izany ity filohan’ny federasiona malagasy ity, izy izay voafidy ho filohan’ny kaomisiona miandraikitra ny « organisation » eo anivon’ny kaonfederasiona. Ankoatra izay, izy no filohan’ny faritra atsinanana, izany hoe ny avy any Mozambika miatsinana rehetra miaraka amin’ireo Nosy rahavavy. Betsaka ny tombony ho antsika amin’izao, hoy ity filohan’ny federasiona ity, indrindra rehefa ho avy ny fotoana hanatanterahana ny fifaninanana. Miandry io lalaon’ny Nosy io ry zareo mpikambana, hiankina amin’ny fomba fikarakarana izany no hahazoantsika fandraisana fifaninanana iraisam-pirenena maro. Efa fantatra fa any Toliara no handray ny JIOI amin’ity. Manana atleta 8 lahy sy 4 vavy isika amin’izany, izay efa vonona fa miandry ny fampivondronana sisa. Mametraka olana kely ho azy ireo kosa ny fitaovana hampiasaina amin’izany, toy ny « planche », izay efatra na telo volana fara-fahatarany no tonga satria mila hizarana ny mampiasa azy. Niara-dalana tamin’ity AG ity ilay fampiofanana ho an’ireo tanora latsaky ny 18 taona, nanana solontena tamin’izany isika, ka nofaranana tamin’ny fifaninanana kely izany, nitsarana sy nanitsiana ireo mpiofana.
Mi.Raz




