Lalaon’ny Nosy : nankatoavin’ny Filan­kevitry ny minisitra

Anisan’ny tena nibahan-toerana nandritra ny filankevitry ny minisitra, notanterahana afakomaly, ny mahakasika ny fandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Hatao ny 25 Aogosi­tra hatramin’ny 03 Septambra 2023 izany. Firenena 7 mandray anjara : Madagasikara, Maorisy, La Réunion, Maldi­ves, Kaomoro, Seychelles ary Mayotte. Manana ny fotodrafitrasa afaka mandray izany isika, misy kosa ny ilana fanamboarana sy fanarenana. Nisy ny toromarika nomen’ny filohan’ny Repoblika, amin’ny hampitomboana avo roa heny ny ezaka, indrindra ireo tomponandraikitra misahana ny fanomanana. Notakiany ny tetiandro mazava avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fana­tanjahantena.
Efa nitsidika ireo fotodrafitrasa handray ny lalao ny filohan’ny Repoblika niaraka tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Natao amin’ny faran’ny herinandro teo izany, namaritana ny asa mbola vitaina. Anisan’ireo asa mila voafaritra mazava ny fahatongavan’ny Vaomiera Iraisam-pirenena misahana ny Lalao (CIJ). Torak’izayny fampanaraham-penitra ny fotodrafitrasa, toy ny kianja, ny toerana hipetrahan’ny atleta sy ny delegasiona ofisialy rehetra avy amin’ny firenena mpandray anjara. Ny fampitaovana ilaina amin’ny fanazarantena sy fifaninanana rehetra. Ny fikarakarana ny lalao sy ny fampandehanana ny COJI (Vaomiera fikarakarana ny lalaon’ny Nosy) ary ny fanomanana ireo atleta malagasy.
Mahakasika ny fampitaovana ilaina amin’ny fanazarantena sy fifaninanana rehetra, efa misy ny tonga, vokatry ny fiaraha-miasan’ny firenena malagasy sy ny firenena Sinoa.
Anisan’ny efa anatin’ny fikarakarana ny mahakasika ny lanonam-panokafana sy ny lanonam-pamaranana, ary ny lanonana famindrana ny Afon’ny lalao. Ankoatra ny fivoriana faharoa.

Mi.Raz

Partager sur: