Horonantsary: miditra amin’ny andiany faha-18 ny “Madagascourt Film Festival”

Hetsika lehibe anisan’ny manome lanja ny tontolon’ny horonantsary eto Afrika, indrindra ny eto Madagasikara, ny Madagascourt Film Festival. Andiany faha-18 no hotanterahina amin’ity taona ity.

Misokatra manomboka amin’ity volana mey 2023 ity ny fandraisana anjara amin’ny fifaninanana « Madagascourt Film Festival », andiany faha-18. Ny Fikambanana Rencontre du Film Court na RFC no mikarakara ny fifaninanana. Mpanatontosa sy mpamokatra sarimihetsika afrikanina no antsoina handray anjara. Fi­faninanana tafiditra ao anatin’ny hetsika lehibe ho an’ny tontolon’ny sarimihetsika, atao eto Madagasikara. Misy karazany maro ny sokajy hifaninanana: sarimihetsika, ho­ro­nantsary fanadihadiana, fa­nentanana, Prix du Public.
« Isika ihany no hamokatra sary entintsika mitaiza ny zanantsika ». Io no teny entin’ny mpikarakara, miantso ny mpanatontosa sy mpamokatra sarimihetsika, ao anatin’ny fifaninanay izay miditra amin’ny andiany faha -18. Ani­san’ny ahafahan’ny mpisehatra eo anivon’ny sarimihetsika mifanakalo sy mifampizara ny traikefa. Ankoatran’ny mpandray anjara avy eto Afrika, hisy ny manam-pahaizana sy mpanatontosa avy any Eropa sy Amerika ho avy eto.
“Manatalenta ny Afrika­nina. Ny manome azy ireo hitrandraka izany talentany izany no anjaranay” hoy i Laza, talen’ny Madagascourt Film Festival. Efa maro ny horonantsary sy mpanatontosa ary mpamokatra lasa lavitra nivoaka tamin’ity fifaninanana ity. Anisan’izany ny horonantsary Imanitrala, Harry Joel, izay mpanatontosa anisan’ny mbola tanora. Nisy ny horonantsary sy mpanatontosa efa nitety hetsika lehibe mahakasika ny sarimihetsika maneran-tany.

Ankoatran’ny fifaninanana. Hisy ny fandefasana horonantsary ankalamanjana ho an’ny mponina andalovan’ny hetsika. Raha tamin’ny taona lasa, ny faritanin’i Mahajanga no nahazo tombony tamin’ny hetsika. Tanjon’ ny mpikarakara ny hampiditra ny tontolon’ny horonantsary ao am-pon’ny Malagasy.

Lin(Mpianatra asa

Partager sur: