Zavamaneno: hisy ny atrikasa momba ny “Percussions”

Tontosaina eny amin’ny Academie nationale des Arts et de la culture na ANAC, Anosy, ny sabotsy 6 mey 2023, ny atrikasa fanaovana « Percus­sions ». Misokatra ho an’ny rehetra ny atrikasa. Randriana­solomalala Victor, mpampianatra ity zavamaneno ity no hizara ny fahaizany sy hampianatra. Hampia­narina ny fanamboarana “Per­­cussions”, voalohany hatramin’ny farany, mitohy amin’ny fomba fitendrena sy fivelesana azy. “Tanjona ny fampiroboroboana ny haikanto sy ny fitrandrahana ny talenta, indrindra ny tanora, ao anatin’izao hetsika izao”, hoy ny mpikarakara.
Zavamaneno anisan’ny nitety vanimpotoana nandalovan’ny mozika ny “Per­cussions”. Ny mpiofana no miantoka ny akora fototra hanaovana azy, toy ny kapoaka, sy hazo mirefy 30 santimetatra ary voa maromaro. Marihina fa manaraka ny fenitra apetraky ny rafitra miahy ny zavamaneno ny percussions vita mandritra ny atrikasa. Hahazo marika famantarana ireo nahavita fiofanana.
Zavamaneno ahazoana feo avy amin’ny fikapohana na fikikisana ny akora mandrafitra azy ny “Percus­sions”. Azo lazaina fa anisan’ny mora hay izy. Misy anefa ny fomba fikitihana na fikapohana azy mba ahazoana ny feo ilaina amin’ny feonkira.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: