«Tsy mbola mazoto mianatra ny ankamaroan’ny ankizy noho ny fisian’ny kere any amin’ny faritra Atsimo», hoy ny filoha mpitantana ny akany Fiadanantsoa Anketraka, Toliara II, Tsianoro Berthine, omaly. Manampy ny ray aman-dreny hampiditra ny zanany an-tsekoly, ny fikambanana Malaza ny Gasy amin’ny alalan’ny “École de la chance” any an-toerana. Maro ny fotodrafitrasa efa vita sy mampiavaka ny sehatry ny fanabeazan’izy ireo, raha ny fanazavana. Voataiza ara-tsaina, sy ara-batana ary ara-panahy ireo ankizy.
Ahitana sampam-piofanana 5 hafa ankoatra ny taranja tsy maintsy hianaran’ny mpianatra (réligion, informatique, développement durable, restauration, commerce, éducation). Ankoatra izay, ny cantine hanomezana sakafo ny beazina, tafiditra anatin’ny tanjon’ny fikambanana ny hoe: “Avenir Milay”. Omena fambolena (anana sy zanakazo manga) ihany koa ny ray aman-dreny mba hamongorana ny kere any an-toerana.
Mpianatra 2 maty
Manangona rano miandrona amin’ny arabe ny mponina any an-toerana rehefa amin’ny fotoanan’ny rotsakorana ka iny no sotroina sy ampiasaina ary andrahoana sakafo, raha ny zava-misy any an-toerana. “Miteraka aretim-pivalanana ho an’ny mponina, indrindra ny ankizy, anefa izany”, hoy ny mpitsabo mpanampy ao amin’ny akany Longosoa Ampasy Toliara II, Rafaranirina Antoinine Nadia. Hatramin’izao, 2 ny mpianatra maty teo anivon’ny Ecole de la chance, Fiadanantsoa Anketraka, vokatry ny fisotroana rano tsy ara-pahasalamana, raha ny fanazavana. “15 km farafahakeliny miala ny tanàna vao misy rano, andoavana 1000 Ar hatramin’ny 4000 Ar ny iray bidon 20 litatra amin’ izany”, hoy ny talen’ny Akany fiadanantsoa Anketraka Toliara II, Thierry Jean Dolphe.
Na dia eo aza ny ezaka ataon’ny fikambanana, manao antso avo amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpanao soa hatrany izy ireo. Mba hahafahana manampy ny olona tratran’ny kere. 6 ireo akany mandray an-tanana ny kere any amin’ny faritra Atsimo. 5500 ireo beazina raisana an-tanana, 2500 ny mpanabe.
Mino (mpianatra asa)




