UE-OSC : olana ho an’ny tantsaha ny fahazoana tany

Natao ny 19 avrily teo, ny dinika teo amin’ny Dele­gasiona Vondrona eoropeanina eto Madagasikara (DUEM) sy ny solontenan’ny Fiara­hamonim-pirenena (OSC). Lohahevitra nifampidinihina ny hoe « ny fambolena, ny fiarovana ara-tsakafo ary ny fananan-tany ».
Nanamarika ny Fiaraha­monim-pirenena (OSC) fa mbola marefo ny rafitra mifehy ny fambolena eny ifotony sy ny mponina. Tena miantraika amin’izy ireo ny olana fahazoana tany. Tany nolovaina tamin’ny ray aman-dreny ny ankamaroan’ny ambolena, nefa tsy mitsaha-mitombo ny taranaka. Etsy ankilany, misedra ny fiovan’ny toetr’andro koa ny tantsaha, indrindra ny any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy.
Nilaza i Fanomezantsoa Rivo, tomponandraikitry ny fandaharanasa ao amin’ny ONG Action intercooperation Madagasikara,fa mila hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eny ifotony. Anisan’ izany ny tantsaha, mba ho matihanina kokoa amin’ny fanamboarana fitaovam-pamokarana mifanaraka amin’ny filana eny ifotony. Omena ny toerana sahaza azy koa ny teknisiana isam-paritra. Mila manana paikady maharitra sy matotra ny fanjakana ahafahan’ireo rafitra eny ifotony manohy miasa, aorian’ny fahataperan’ny famatsiambola omen’ny tetikasa.

Mila drafitrasa iombonana

Nanamafy izany ny talen’ny tambajotra Soa, Andria­mandimby Gérard. Ho azy, tokony hamoraina ny fahazoan’ny tantsaha misitraka ny fandaharanasa Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (FDA). Mangataka ny tantsaha ny hanamaivanana ny dingana arahina. Tokony homena vahana ny vehivavy mba hahaleotena. Ilaina ny hamolavolana drafitrasa iombonana mikasika ny masomboly eny ifotony, satria tsy mitovy ny filana isaky ny faritra. Mila omen-danja koa ny sakafo avy amin’ny fiompiana, toy ny henan’omby, ohatra.
Ho an’ny mpandrindra nasionalin’ny Vovonana Rohy, sady tale mpanatanteraky ny ONG Msis Tatao, Andriamoraniaina Harijaona, andraikitry ny fiarahamonim-pirenena ny manohana ny tantsaha handrindra ny asa fihariany. Ao anatin’izany ny fanajana ny fenitra sy ny fepetra amin’ny famokarany, hamaly ny filana amin’ny sakafo, ny fihariany izay hampidi-bola azy ireo. Sady mamorona asa ho an’ny tanora ihany koa. « Anjaranay no miady sisika any amin’ny fanjakana, mba hahalalany ny tena zava- misy sy handrafitra paikady mamaly ny fitakian’ny tantsaha », hoy ihany izy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: