Mpamonjy voina: miady amin’ny loza mety hahazo ny vahoaka

Nankalazaina omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpamonjy voina. Nampahafantarina ny rehetra ny asa sy ny andraikitr’ izy ireo nandritra izany.

Nisy, araka izany, ny varavarana misokatra ho an’ny rehetra, teny amin’ny tobin’ny mpamonjy voina Tsaralàlana sy Anala­ma­hitsy. Tanjona ny hampahafantarana ny mponina ireo andraikitra sy tsara ho fantatra rehetra mikasika ny asa fa­monjena voina sy ny mpamonjy voina amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Manana andraikitra maro samihafa sahanina izy ireo, ankoatra ny famonoana afo. Miady amin’ny loza mananontanona ny mpiara-belona izy ireo (mamonjy ny olona latsaka na maty an-drano, loza ateraky ny fihotsahan’ny tany, ady amin’ny valala). Miatrika sy mamaha ireo olan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy ny fanorenana trano tsy ara-dalàna ihany koa. Nilaza izy ireo fa efa mitady vahaolana amin’izany olana rehetra izany ny tomponandraikitra.
384 eo ny isan’ny mpamonjy voina hatramin’izao ary ezahina ny hametraka toby maro manerana ny boriborintany 6 eto an-dRenivohi­tra. 4 ireo toerana ahitana ny foiben-tsampan’izy ireo eto Antananarivo Renivohitra (Tsaralàlana, Anosivavaka, Analamahitsy ary Andravoa­hangy). Azon’ny olona antso­ina avy hatrany ny laharana 118 raha sanatria misy voina mihatra.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: