Itaosy…: tratra ireo jiolahy mpaka an-keriny

Tsy nahomby ny fikasan-dratsin’ireto jiolahy nanao fakana an-keriny teny An­dra­nonahoatra Itaosy, afakomaly. Olona roa indray tratra (vehivavy sy lehilahy) raha mbola eo am-pikarohana ny roa lahy hafa kosa ny zandary. Mpiasa tao an-tranon’ny ray aman-drenin’ilay nalaina an-keriny ihany ireto nahavanon-doza ireto. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny kaomandin’ ny borigadin’Itaosy, amin’ny maha mpiara-monina, fantatr’izy telo lahy ireo fa misakaiza amina olona manam-bola ity zanaky ny mpampiasa azy. Mahafantatra tsiambaratelo maro mahakasika izany ry zalahy ireto. Vehivavy iray nitonona ho “cousine” no niantso ilay niharam-boina ka nilaza fa te hihaona aminy. Vehivavy iray hafa milaza iraka haka azy teo Andrano­na­hoatra. Notazonin’izy ireo tao amina trano iray eny Vinany Itaosy ilay zanaky ny mpampiasa azy. Tsy vitan’izay fa mbola notampenana ny maso, nofatorana ny vavany sy ny tanana aman-tongony. Vao mangiran-dratsy anefa, nobabena ka naverina teo amin’ny sampanana Vinany izy ary navotsotra sy nafaran’ireo jiolahy hitondra ilay olon-tiany any amin’ny PK-22 Ime­rin­tsiatosika. Nilaza ireo jiolahy nandritra ny famotoran’ny zandary fa nikasa haka vola amin’io sakaizan’io izy ireo ka antony nanosika izao fakana an-keriny izao. Nanom­boka teo ny fanadihadian’ny zandary ka noraisim-potsiny izy ireo ary samy niaiky ny heloka vitany.

Jean Claude

Partager sur: