Depiote Randrianasoloniaiko Siteny : “Tsy ilaina ny valifaty politika sy ny hazalambo…”

Nitohy tany Ambato Boeny ny Mihava Tour, notarihin’ny depiote Randrianaso­lo­niaiko Siteny. Navoitrany tamin’izany ny fihavanana. “Tsy hisy ny valifaty politika sy ny hazalambo”, hoy izy. Nanteriny fa ilaina tandrovina ny fihavanana, araka ny hafatry ny papa Fransoa.
Nokianiny koa ny ambarany fa “fandrobana” ny tantsaha amin’ny Taxe. 20 Ar izany fa nampiakarina ho 50 Ar isaky ny kilao. Tsy nifampierana ary tsy nohenoina ny fitarainan’ny mponina, araka ny nambarany. “Aiza io vola io andriamatoa Governora ? Niverina teto ve sa lasa any Antananarivo?” hoy ny fa­nontaniany.
Notsiahiviny indray fa anisan’ny lalan-tokana hampivoatra ny firenena ny fanarahana ny Lalàmpanorenana, amin’ny fampiharana ny tena fitsinjaram-pahefana. “Hofa­ritan’ny faritra ireo laharam-pahamehana ao aminy sy ny ahitany vola ary ny ampiasany izany. Tsy mila mangataka vola fa vola azo ateraky ny rafitra fitsinjaram-pahefana io”, hoy ihany izy.

Fitsinjaram-pahefana

Niantso ny vahoaka ny tenany tsy ho voafitaka intsony. Nambarany fa tsy mampanantena ny tsy ho vita ny tenany. Fanapahan-kevitra politika izany fitsinjaram-pahefana izany. Nomelohiny koa ny fandaniam-poana ny vola ataon’ny fitondrana. Anisan’ izany ny solika omena ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fi­tantanam-bola.
Noresahany koa ny lalana ratsy, mirefy 23km miditra an’Ambato Boeny. Tsy mety vita nefa nampanantenain’ ireo te ho voafidy rehetra fotsiny. “Ahavitana ny lalana sy tohodrano ary fotodrafitrasa hafa raha ny hetra fotsiny”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: