Tanterahina, anio, ao amin’ ny Kianja Mahamasina, ny seho an-tsehatra iarahana amin’ ny fianakaviamben’ny mpanao hatsikana malagasy, entina mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fihomehezana. “Et si? On se réunissait” no lohahevitra sy lohatenin’ny fampisehoana. Ny Komedy Club no mikarakara ny hetsika ary ho avy ao avokoa ny mpanao hatsikana samihafa, haneho ny maha iray ny hatsikana na dia maro karazana aza. Seho an-tsehatra maro sy fifaninanana ary fifampizarana eo amin’ny samy mpanao hatsikana no hameno ny fandaharam-potoana mandritra ity hetsika fankalazana ity.
Mpanao hatsikana zokiny, ny vondrona mpanao hatsikana moderina sy taloha, ny mpanao horonantsarimihetsika mampihomehy sy ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny hatsikana no ho avy amin’ity hetsika ity. Ho hita ao mandritra ny fampisehoana ny Stand up, Sketch, improvisation théatrale, ary ny fifaninanana hatsikana tsara indrindra. Misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika ary maimaimpoana ny fandraisana anjara, izay ilana fisoratana anarana.
Lin (Mpianatra asa)