Tsy tena nitady ny laza izy… Volamena latsaka am-bovoka anefa, ka namiratra tamin’ny alalan’ny sanganasany teny foana i Maurice Razafy. Izy no lasa fa ny kantony mitoetra, ary namela mamy hoan’ny tontolon’ny mozika ity andrarezina ity.
“Izy efa-bavy”, “Voahirana”, “Rasoanantenaina, Ikotofetsy sy Imahakà”, “Tsy ho any”… ireo angamba ny tena hiran’i Maurice Razafy nalaza sy be mpahafantatra indrindra. Fantatra fa nodimandry ny harivan’ny alakamisy teo, ity mpanakanto anisan’ny nanavao ny sôva ity. Anisan’ireo naneho ny alahelony, raha naheno ny vaovao voalohany, Ifanihy.
Vitsy ireo nahalala ny tarika Maurice Razafy tany am-piandohana. Nisy nandrakitra tanaty kasety video kosa ilay Mahaleo nihira ambody afo, ka ny hira efatra farany tamin’ io vokatra io no nahitana ny tarika Maurice Razafy nanao ireo hira voalaza etsy ambony. Nanomboka teo, betsaka ireo namerina ny hiran’ny tarika araka ny fanaovany azy.
Manana hira maro i Maurice Razafy, saingy tsy voaray feo avokoa izany. Efa nisy fotoana nitafana taminy fahavelony, sady am-perinasa amin’ny maha teknisianina azy tao Tsaralalàna izy. Nambarany tamin’izay fa tsy dia mandeha amin’ny haino aman-jery aza ny hirany, ny tarika Maurice Razafy kosa dia be mpiantso manafana lanonam-pianakaviana na fampisehoana tsotsotra teny, tamin’izany. Efa tany amin’ny taona 1980 tany no nisongadina ireo hirany, izay noravahina tamin’ny gitara, ny valiha, ny korintsana ary ny karazan’amponga mba ho sady azo handihizana ihany koa. Manan-karena tononkira izy. Tsy ampoizina akory ireo lohahevitra anatin’ny aingampanahin’i Maurice Razafy navadiny ho hira. Saika mifono hafatra sy fanabeazana avokoa izy ireny, ary manaja ny teny sy voambolana malagasy.
Namela mamy i Maurice Razafy…
“Mandalo ny zava-drehetra. Miserana, ary tsy itoerana ela eto. Ny tanjako omaly tsy reharehako anio intsony. Araraoty ny hatanorana mba hanaovana zavatra tsara ho tantara apetraka. Ho marika fa nisy ianao ary nandalo teto. Tano ny maha malagasy anao, fa io no nomen’Andriamanitra anao…”, hoy ny hafatra navelany tao anatin’ny pejy “Facebook”-ny. Mbola notohizany hoe: “Raha ho dify izao fahanterana izao, iza indray no hanoro ny tanora? Ho dify hanaraka anay ny kanto malagasy. Tsy ho takatry ny tanora sasany mantsy ny tena hoe kanto malagasy. Tsy hainy ny tantara, tsy hananany ny fototra. Izay indrindra no nanaovanay hira somary maneho ny taratry ny fahiny ary niezahanay namoaka an-tsoratra ny tantaran’ny kanto sy ny hira fahiny”…
Anisan’ny nahazo tsodrano sy alalana tamin’i Maurice Razafy hamelona ny sasantsasany tamin’ireo sanganasany ny tarika Zandry Gasy. Betsaka ireo tsy nahalala raha tsy nampahafantarina, fa hiran’ity andrarezina ity ry “Rasoanantenaina” sy ry “Voahirana”, izay voarakitra ao anaty rakikira voalohan’ny tarika.
Zo ny Aina