Hotanterahina any Paris, Frantsa, ny 15 hatramin’ny 17 mey 2023, ny fiadina ny ho tompondaka eran-tany eo amin’ny Slam Poésie. Abdoulanum Abdillah, fantatra amin’ ny anarany entiny miantsehatra “Hichim” no misolo tena ny Malagasy ao anatin’izany fifaninanana goavana eran-tany izany. “Tsy hijery aho hoe iza no mifaninana amiko amin’io fa vonona aho hanome ny tsara indrindra avy amiko ho an’ny firenena hoentiko anarana”, hoy i Hichim.
Efa vonona tanteraka ny solontenan’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Slam Poésie. Hichim no misolo tena antsika, noho izy mpandresin’ny “Slam national” andiany faha -13. Teratany kaomorianina, saingy mpandray anjara mavitrika eo amin’ny sehatry ny Slam malagasy ary mpikambana ao anatin’ny Madagaslam izy. Nandray anjara tamina tetikasa mahakasika ny zavakanto, indrindra teo amin’ny sehatry ny Slam izy, ary nandrombaka amboara maro teo amin’izany sehatra izany. Mpandresin’ny “Slam ta francophonie” sy ny fifaninanana goavana eo amin’ny sehatry ny “Slam” teto Madagasikara i Hichim, nandritra ny telo taona farany.
“Ny laharana fahatelo no azo antoka hatramin’izao, ny mihoatra an’izay anefa no irariana mandritra ity fiadiana ny tompondaka eran-tany ity”, hoy i Hichim. Raha ny momba ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, amin’ ny tenin’ny firenena solony tena no anaovan’ny mpandray anjara tsirairay ny anjarany, izany hoe, amin’ny teny malagasy no hiantsan’i Hichim ny fandraisan’anjarany. Lahatsoratra 6 amin’ny teny malagasy, saingy tsy maintsy asiana dikany amin’ny teny frantsay sy anglisy izany. Nialohan’ny fifaninanana, efa voafidy sahady tao anatin’ny lahatsoratra tsara indrindra ny an’ity solontenantsika malagasy ity. “Adidy sy andraikitra goavana ny mitondra ny anarana sy ny voninahi-pirenena amin’ny fifaninanana lehibe sahala amin’itony. Ambony hatrany anefa ny herin-tsaina noho ny fanohanan’ny mpiray tanindrazana sy ny mpanohana”, hoy i Hichim.
Lin(Mpianatra asa)