Tsy nandray karama 4 taona: hampiato ny fampianarana ireo vakatera amin’ny oniversite

Maro tamin’ireo mpampianatra vakatera eny anivon’ny ambaratonga ambony miankina amin’ny fanjakana ny tsy mbola nandray karama tao anatin’ny 4 taona. Manaitra ny sain’ny fanjakana izy ireo, noho izany, alohan’ny hampiatoana ny fampianarana.

Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety, teny Anka­tso, ireo mpampianatra vakatera miasa eny anivon’ny oniversiten’Anta­na­narivo sy ny Seces, omaly. “Tandindonin-doza ny fam­pianarana ambaratonga ambony noho ny tsy fandoavan’ny fanjakana ny karaman’ireo vakatera tao anatin’ny 4 taona”, hoy ny filohan’ny Seces, sampana Antananarivo, Pr Rave­lo­nirina Sammy Grégoire.
“Hampiato ny fampianarana manomboka ny talata izao izahay vakatera rehetra eny anivon’ny se­ko­ly ambony Polytechni­que eny Vontovorona”, hoy ny solontenan’izy ireo, Rakotomanana Zakaria. Tsy mbola nandray karama tao anatin’ny 4 taona (nanomboka ny 2018-2019 hatramin’izao) izy ireo ny antony, raha ny fanambarana. Nohamafisin’izy ireo fa 25 %-n’ny karama voaray nanomboka ny 2018 sy 2019, ary tsy nisy intsony taorian’izay.
Manoloana izany, takin’ny Seces, sampana Antana­narivo ny handoavan’ny fanjakana ny valin-kasasarana (vacation) ho an’ireo mpampianatra vakatera manerana ny Nosy. Ankoatra izay, mitaky ny mangarahara amin’ny fandraisana mpiasa raikitra eo anivon’ny fanabeazana ihany koa izy ireo. An­gatahan’izy ireo ny hamoahan’ny fanjakana ny volavolan-dalàna 5 mifehy ny va­katera, araka ny lalàna laharana 2021/005. Entani­na ny mpampianatra rehetra manerana ny Nosy mba ho tonga saina manoloana ny antsojay mahazo ny mpampianatra, raha ny fanazavana hatrany. Tanjona ny handrindrana sy hanatsarana ny rafi-panabeazana sy hitsinjovana ny zo aman-kasin’ny tsirairay eny anivon’ny fampianarana ambaratonga ambony.

Maro anisa ny vakatera
Tsy vitan’ny mpampianatra raikitra irery ihany ny fampianarana eny amin’ny oniversitem-panjakana fa miankina amin’ny mpampianatra vakatera, raha ny fa­nazavana. 64%-n’ny mpam­pianatra eny anivon’ny Ambaratonga ambony eny Ankatso ireo vakatera. Manodidina ny 75% kosa ireo any amin’ny faritra. Maherin’ny 105 ireo vakatera eny anivon’ny Poly­tech­nique eny Vontovorona, raha ny fanazavana voaray ta­min’ireo mpampianatra. “Mi­katona ho azy ny sekoly rehefa tsy misy mampianatra intsony ireo vakatera rehetra”, hoy hatrany ny filo­han’ny Seces.

Handefa taratasy any amin’ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana siantifika izy ireo aorian’ny hetsika, mba hanamafisana ny fitakiana. Hi­ditra amin’ny fampiatoana ny fampianarana, ny talata izao, ireo mpampianatra eny amin’ny Polytechnique Von­tovorona raha tsy voaloa ara-dalàna ireo tombontsoa sy zo takin’izy ireo. Andra­sana ny mety ho tohin’ny raharaha eo anivon’ny ambaratonga ambony rehetra.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: