Fanondranana zaza antsokosoko : tsy afa-miditra eto Madagasikara intsony i Dylan Thiry

Nanao fanambarana iombonana omaly, ny minisitera 5 voakasiky ny raharaha Dylan Thiry, ilay voalaza fa nanao fanondranan-jaza antsokosoko. Nisy ny horonampeo niparitaka teny amin’ny tambajotra sosialy izay niaingan’ny fanadihadiana.
Vantany vao nitranga ny fiparitahan’ny horonampeo dia nanao fanadihadiana avy hatrany ny eo anivon’ny polisim-pirenena misahana manokana ny fivezivezena eny amin’ny sisintany. Raha ny lalàna velona eto Madagasikara dia tranga sazian’ny lalàna ny fanondranana olona antsokosoko, indrindra ny famarinan-jaza amin’ny alalan’ny fananganana zaza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tsy ara-dalàna ireny.
Araka ny fanadihadiana, nivezivezy indroa teto Madagasikara io teratany vahiny Dylan Thiry io, ny taona 2022. Fantatra koa fa tsy nisy zaza malagasy niaraka taminy nandritra io fivoahany indroa miantoana io.
Araka ny voalazan’ny fehezan-dalàna andininy faha-37 sy 38, ao amin’ny lalàna 2014-40, dia afaka manenjika sy mitsara ary manasazy ireo olona mandika lalàna eo amin’ny sehatry ny fanondranana olona antsokosoko eto an-toerana na any ivelan’i Madagasikara ny fitsarana malagasy.
Ny polisim-pirenena ihany koa dia efa nahazo baiko avy amin’ny tonian’ny mpampanoa lalàna amin’ny fitsarana eto Antananarivo ny hanokafana fanadihadiana momba izany. Hohamafisina ny fiarovana ny zaza malagasy ary handray fepetra ny governemanta amin’ny tsy fahafahan’io teratany vahiny Dylan Thiry io hiditra eto Madagasikara intsony. Mbola mitohy ny fanadihadiana hahafahana misoroka ny trangan-javatra toy izao.
Mihato ny fananganan-jaza

Tetsy andaniny, nanao fanambarana koa ny Auto­rité centrale de l’adoption Malagasy (Acam), eo ani­von’ny minisiteran’ny Mpo­nina, fa nandray toromarika momba ny fampiatoana ny fananganan-jaza eto Mada­gasikara izy ireo, tamin’ny volana septambra 2022 teo.
Mitonon-tena amin’ny fandikan-dalàna, araka izany, i Dylan Thiry, raha nilaza fa nanao fananganan-jaza. Mila mampandre ny manampahefana akaiky ny fiarahamonina raha mahita tranga fananganan-jaza na fanondranan-jaza.
Niray feo tao anatin’ny fanambarana ny minisitry ny Raharaham-bahiny, minisitry ny Fitsarana, minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny minisitry ny Fiarovam-pirenena.

Tatiana A

Partager sur: