Tetikasa  Iarivo Speaking English : tanora 60 mianadahy mahafehy ny teny anglisy

Mpianatra 60 mianadahy, nanaraka ny fampianarana teny anglisy maimaimpoana nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny tetikasa « Iarivo Speaking English », no notolorana mari-pankasitrahana, omaly , tetsy amin’ny Tranompokonolona Ana­la­kely. Nisalotra ny anarana “Pride of Iarivo” ity andiany fahatelo ity.
Nianatra nandritra ny efa-bolana izy ireo ary ma­havoafehy tanteraka ny teny anglisy britanika sy ny teny anglisy amerikanina. Tanjo­na ny fanohanana ireo tanora amin’ny fanohizany ny fianarana sy ny asa ataony.
Iaraha-miasa amin’ny fikambanana Ivoarana sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny Haikanto, kolontsaina sy vakoka ary ny fiainam-piarahamonina ny tetikasa. Na­tao ho an’ny mponin’An­tananarivo te handalina ny teny anglisy ny tetikasa “Iarivo Speaking English”.
Manana tombony kokoa ireo tanora mahafehy ny teny anglisy rehefa misehatra amin’ny asa noho ireo tsy mahay izany. Maro rahateo ny orinasa mitaky ny fahaizana teny anglisy raha hiasa ao aminy ka tsy tokony ha­tao ambanin-javatra ny mianatra ity tenim-pirenena ity.

Tatiana A

Partager sur: