“Miara-mientana isika, ndao hanasa tanana, satria mamonjy aina ny fanasana tanana”. Nomarihina omaly ny Andro maneran-tany ho an’ny fanasana tanana eny anivon’ny tobim-pahasalamana ka nanao hetsika koa ny teto Madagasikara. Ny 80%-n’ny otrikaretina azo eny amin’ny tobim-pahasalamana dia avy amin’ny tsy fanasan’ny mpiasan’ny fahasalamana, marary ary ny mpiandry marary tanana avokoa, araka ny fanazavana azo. Nandeha nanentana ny olona rehetra teny anivon’ny hopitaly Befelatanana (HJRB) ny ekipa, nahitana olona 80 nitety ny sampandraharaha rehetra momba ny maha zava-dehibe ny fanasana tanana amin’ny savony. Nifarimbona nanatontosa ny asa fanentanana ny sampandraharaha misahana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny manam-pahaizana manokana amin’ny fifehezana sy ny fisorohana ny areti-mifindra ary ny mpiray ombon’antoka maro. Voatety ny sampandraharaha rehetra hatrany amin’ny efitranon’ny marary.
51% tobim-pahasalamana eto Madagasikara no manana fitaovana fototra ilaina amin’ny fanasana tanana.
Vonjy