Nivoaka, omaly, ny lisitr’ireo mpilalao 30 mirahalahy nantsoina handrafitra ny Barean’i Madagasikara, sokajy U20. Hanao ny fifaninanana ho an’ireo firenena miteny frantsay “Jeux de la Francophonie 2023” izy ireo. Ahitana mpilalao mila ravinahitra 6 ny ekipam-pirenena.
Ho fiatrehana ny lalaon’ireo firenena miteny frantsay “Jeux de la Francophonie 2023”, izay hatao any Kinshasa, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao, fantatra fa miisa 30 mirahalahy ireo mpilalao handrafitra ny Barea U20.
Araka ny lisitra nivoaka omaly, ahitana mpilalao 24 avy eto an-toerana sy mila ravinahitra 6 ny ekipam-pirenena malagasy. Tsiahivina fa notsongaina nandritra ny dingana voalohan’ny fifaninanana ligim-paritra U19 sy ny fampivondronana natao teny Carion, ny 8-15 avrily lasa teo, izy ireo.
Misy mpilalao dimy, mifaninana amin’ny «Orange Pro League» (OPL) ny lisitra navoakan’i Aboudou Amada.
Tsiahivina fa ny 22-31 mey ho avy izao, mikasa ny hanao fampivondronana voalohany ny Barea U20 izy ireo, raha toa ka ny 21-30 jona ny faharoa. Marihina fa efa natolotra eny anivon’ireo mpikarakara ny fifaninanana «Jeux de la Francophonie», ny alahady 23 avrily lasa teo, ny anaran’ireo mpilalao Barea zandriny ireo.
Tsara ny mampatsiahy fa ao amin’ny vondrona “A” no misy ny Malagasy ary hihaona amin’ny RD Congo sy i Congo ary i Canada. Nohamafisin-dRasoanaivo Rado, tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa mitohy hatrany ny fitiliana ireo mpilalao zandriny hanao ny Cosafa U20, io no antony nanaovana ny fifaninanam-pirenena, ligim-paritra, U19.
Fitia (Mpianatra asa)
Lisitr’ireo mpilalao 30 mirahalahy
Mpiandry harato : Andrianarimihamina Tsilavo (Toulon Football Academie), Moro Jhonito (Atsinanana)
Hounsa Tahiry (FC Robretieres, France)
Vodilaharana : Todivelonarison Ibrahim (Vatovavy Fitovinany), Mizamanana Julio (Elgeco Plus), Djavojotombo Mathys (67 City), Notahiny Gatien (Atsimo Atsinanana), Andriniana Amboara ( Bongolava), Tombo Nordia Akram (Analamanga), Ferron Giani (US Torcy), Gueguen Davidson (Stade Lavallois), Andrianiaina Fenosoa (Elgeco), Rakotoson Mirahalahy (Analamanga)
Hirakiraka : Randrianaivo Harry Enzo (Analamanga), Randriamahazo Ismael (Alaotra Mangoro), Rahajason Ismael (Itasy), Rakotoniaina Jimmy (Jet Kintana FC), Raheriniaina El Hadari (St Michel, Seychelles), Chabani Amada ( As Medan, France), Rakotoarisoa Rayan (IS Selongey, France), Randriamanonjara Jimmy ( Diana), Andriazafisoa Egyptien ( Tia Kitra FC)
Lohalaharana : Zonekely Zafinera (Atsinanana), Nomenjanahary Dominique (US Pro), Ramahazomanana Nambinintsoa ( Jet Kintana), Razafimanana Jhone (Atsinanana), Mamonjisoa Kennedy (Sava), Bine Jakira (67 City), Razafindramorajaona Daurlin (Anosy), Arson Floriant (Sava)