Ho fiatrehana ny Cosafa U20, hotanterahina manomboka anio, any amin’ny faritra Ihosy sy Mahajanga, ny fifaninanam-pirenena, amboara rezionaly, ho an’ny sokajy U19. Marihina fa natao hitiliana ireo Barea zandrikely ity dingana faharoan’ny fifanintsanana ity. Misy ekipa valo izy ireo no tafita amin’ity dingana manaraka ity, anisan’izany i Sava, Atsinanana, Boeny, Itasy, Vakinankaratra, Anosy, Atsimo Atsinanana, Atsimo Andrefana.
Haharitra hatramin’ny 10 mey ho avy izao ity fifaninanana ity, raha ny vaovao voaray teny anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra. Tsiahivina fa nozaraina vondrona roa izy ireo, ka izay voalohany isam-bondrona no manao famaranana eto Antananarivo, ny 14 mey ho avy izao. Ankoatra izay, hisy mpilalao avy any ivelany hanatevina ny Barea U20 hanao ny Cosafa. Tsara ny mampahatsiahy fa i Aboudou Amada no mpanazatra ny Barea U20.
Fitia (Mpianatra asa)
Mahajanga
1 – Sava, 2 – Boeny, 3 – Atsinanana, 4 – Itasy
Ihosy
1 – Vakinankaratra, Anosy, Atsimo Atsinanana, Atsimo Andrefana.
Fandaharan-dalao anio :
Kianja Mahajanga
10 ora : Sava vs Boeny
12 ora ; Itasy vs Atsinanana
Kianja Ihosy :
10 ora : Atsimo Atsinanana vs Vakinankaratra
12 ora : Atsimo Andrefana vs Anosy