Namoaka vaovao tao amin’ny pejiny facebook ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Atsimo Andrefana, ny 8 avrily teo. Voalaza, fa nisy olona efatra, nahatrarana sokatra arovana miisa 43, ny 7 avrily. Nahavariana anefa, fa olona telo ihany no niatrika ny fitsarana TPI Toliara ny 2 mey teo, araka ny tatitra an-tsoratra (PV) avy any amin’ny Zandarimaria Toliara. Koa, nankaiza ilay olona fahefatra, nefa navoaka ny sariny tao amin’ilay pejy FB-n’ny Dredd Atsimo Andrefana ? Manampy izany, naiditra am-ponja vonjimaika (MD) ny olona iray tamin’ireo telo niatrika fitsarana. Nohafahana vonjimaika (LP) kosa ny roa, ka anisan’izany ilay olona nahatrarana tao an-tranony ireo sokatra miisa 43.
Avy any Lavavolo
Araka ny loharanom-baovao, voalaza fa heverina nalaina tao amin’ny foibe fihazonana sokatra any Mangily ireo tratra ireo, satria misy marika famantarana ny ankamaroany. Rehefa nohamarinin’ny lehiben’ny foibe any Mangily anefa, tsy avy ao amin’ity toerana ity ireo sokatra ireo. Misy foibe iray hafa any Lavavolo, tantanin’ny Turtle Survival Alliance (TSA) any Itampolo. Nanamarina ny tompon’andraikitra iray TSA fa avy ao Lavavolo tokoa ny 38 amin’ireo sokatra 43 tratra ireo. Nambarany koa fa tsy sambany no nisian’ny halatra toy izao tao amin’izy ireo. Fantatra koa fa nisy mpamily iray tao amin’ity foibe any Lavavolo ity, anisan’ny naman’ireo mpanao trafika. Nangataka fanadihadiana lalina ny TSA, ankoatra ny fitoriana napetraky ny Dredd Atsimo Andrefana. Nekena izany ary nahemotra amin’ny 6 jona ny fotoam-pitsarana manaraka.
Njaka A.