Tambajotra Antananarivo : foana ny delestazy

Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), omaly, fa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny minisitra Andriamanampisoa Solo, sy ny Vondron’ny kaompanian-tsolika eto Mada­ga­sikara (GPM) taorian’ny fivoriana, ny 4 mey teo. Araka izany, nomen’ny mi­nisitra toromarika ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Jirama, nampitsahatra tsy misy hatak’andro ny fanapahan-jiro na delestazy ho an’ny Tambajotra iraisan’ An­tananarivo (RIA). Hana­marinana izany, notaterin’ny minisitera MEH, fa efa an-dalana miakatra avy any Toamasina hihazo an’ Anta­nanarivo ireo fiarabe mpitatitra solika. Tsikaritra fa tsy nisy tokoa ny fahatapahan’ ny herinaratra teto an-dRenivohitra, omaly.

Tsiahivina, fa nanapa-kevitra tsy hamatsy solika ny Jirama intsony ireo orinasa tsy miankina mpamatsy azy ao anatin’ny GPM. Satria, vo­alazan’ireo farany, fa mihoampampana ny trosany tsy naloan’ny Jirama. Na­no­loana izany, nanao antso tolo-bidy iraisam-pirenena ny Jirama, hamatsy solika azy, saingy tsy fantatra raha nisy namaly na tsia.
Taratasy lany daty

Manampy ireo, nanamarika ny MEH fa taratasy efa talohan’ilay fihaonana ny 4 mey, nisian’ny marimaritra iraisana no nisy nanaparitaka tanaty tambajotra sosialy, milaza fa hampiato ny asany ny orinasa Tozzi Green, nanomboka ny 5 mey teo. Mitantana ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano eny Farahantsana, Sahanivotry, Maroantsetra, sns, ity orinasa ity. Ho an’ny MEH, taratasy efa lany daty iny nisy nanaparitaka iny.

Njaka A.

Partager sur: