Fizahantany : fiaraha-miasan’ny Orange sy ny Federasiona CTM

Hiara hanohana ny sehatry ny fizahantany eto Ma­da­gasikara ny Orange Ma­da­gas­car sy ny Confédération du tourisme de Madagascar (CTM). Omaly, nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny Tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric De­bord, sy ny Tale mpanantanteraka ao ny CTM, Rato­vomalala Lova.

Misy fiantraikany betsaka eo amin’ny fizahantany sy ireo mpisehatra amin’izany ny teknolojia nomerika. Araka izany, hampiroborobo indray ity sehatra ity amin’ny “transformation digitale” ny Orange Madagascar. Hi­si­traka izany avokoa ireo mpikambana rehetra ao amin’ ny CTM, amin’ny alalan’ny fanofanana ny fahaiza-ma­nao nomerika sy ny fandaharanasa Orange Digital Center (ODC). Programa manofana olona ho lasa matihanina amin’ny fampivoarana ny fahaiza-manao nomerika ny ODC. Ha­nampy ireo mpikambana ao amin’ny CTM amin’izany ireo fitaovana toy ny Wi­fi­ber Pro, Internet broadband, ary Orange Mo­ney ho an’ny fifanakalozana ara-bola. Marihina fa efa nanofana mpianatra maherin’ny 1.600 isa ny ODC hatramin’ny ni­sokafany. Ary vehivavy avokoa ny 61% amin’izany. Tany manan-karena sy ma­na­na ny zavatra mampiavaka azy ny nosintsika. Anisan’ny mampiroborobo ny toekarena ihany koa ny sehatry ny fizahantany. Antony nahatonga ny Oran­ge Mada­gas­car nirotsaka an-tsehatra hanohana izany amin’ny alalan’ny “transformation digitale”. Samy mino ny roa tonta fa hitondra ainga vao amin’ity sehatra ity sy ho an’ireo mpizahatany ary ho an’ny Malagasy rehetra ny fiaraha-miasa.

Henintsoa Hani

Partager sur: