Tombanana ho manodidina ny 17.577 ha ny velaran-tany voafendraka fanafody, nanomboka ny volana novambra 2022 hatramin’ny alakamisy teo. Famendrahana ana habakabaka ny 9.680ha tamin’izany, raha an-tanety kosa ny 7.897 ha ambiny. “Ankehitriny, efa voafehy izany ka tsy hatahorana intsony”, hoy ny fanazavan’ny minisitra lefitra misahana ny Fiompiana, Dr Raymond, nandritra ny fanokafana ny tsenaben’ny fiompiana , tetsy Nanisana, ny alakamisy teo. Nanome angidimby miisa roa ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena amin’ny fanondrahana fanafody sy handringanana ny valala tao amin’ny faritra Menabe sy Amoron’i Mania. Manondraka fanafody ana habakabaka ireo angidimby ireo ary tsy hitsy fiantraikany amin’ny famokarana izany. Natao ny alakamisy teo ny asa, raha ny fanazavana voaray. Tsy nahitana andiam-balala intsony ny tao amin’ny tapany atsimo ny distrikan’i Mahabo, faritra Tsimazava sy Mandonarivo. Nanaovana ny ady kosa tao amin’ny distrika Ambatofinandrahana, kaominina ambanivohitr’Amborompotsy.
Ity toerana ity izay nahitana andiam-balala betsaka in-drindra tamin’ny velarantany 500 ha.
Henintsoa H.