“Tsy hisy intsony izany no hiteny hoe mbola nahita anarana miverina. Raha mahita izany ny olom-pirenena, anjarany ny miteny eny anivon’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE), ary ny CLRE no mampiakatra izany isan’ambaratonga ary ho tonga eny anivon’ny Ceni foibe.” Izay ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, tany Toliara, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fanahiana anarana miverina amin’ny lisitry ny mpifidy amin’izao fanavaozana tanteraka izao.
Ezaka lehibe ny fampanjakana ny fangaraharana amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ataon’ny Ceni izao. Nampahafantarin’ny Ceni amin’ny alalan’ny “site web” ny lisitry ny mpifidy rehetra manerana an’i Madagasikara. Hita amin’izany ny lisitry ny mpifidy isam-pokontany. Ankoatra ny fahafantarana hoe tafiditra sa tsia ny tena, eo indrindra koa ny fahafantarana ny hoe: misy olona tsy tokony ho tafiditra ve ao? Ao anatin’ny fangaraharana tanteraka no anaovana ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy.
Tsy misy ny lisitra fiandry
Tsy lisitra fiandry na hatao fanampiny, araka ny fitenenan’ny mpanao politika sasany, ny lisitra misy ny anaran’ireo mpifidy tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (Ral), fa lisitra hanaovana fampitahana: efa tafiditra ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ve ireo tao anatin’ny Ral? Entanina izay tsy mbola tafiditra hisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy hatramin’ny 31 mey. Tsy azo atao ny mandika avy hatrany ny Ral hiditra ao amin’ny fanavaozana tanteraka. Voararan’ny lalàna izay. Fomba fiasa amin’ny fanentanana ny olom-pirenena hisoratra anarana amin’ny fanavaozana tanteraka ny fanaovana fampitahana amin’izany amin’ny Ral, fa tsy lisitra fiandry na fanampiny.
Nisy ny diabe namakivaky ny tanàn’i Toliara nanentanana ny olom-pirenena hanamarina ny anarany amin’ny lisitry ny mpifidy ary hisoratra anarana ho an’izay tsy mbola nisoratra.
R. Nd.