Lola : mbola ao am-pon’ny mpankafy

Tontosa ny alahady 7 mey 2023, teny amin’ny Kianja­ben’ny Esca Antanimena, ny fampisehoana tokana, nataon’ ny tarika Lola teto Antanana­rivo. Fampisehoana niavaka no natolotr’ity tarika ity ho an’ny mpankafy azy ireo. Hira 45 no niarahana nifety, tao anatin’ny ora 4. Mbola tafapetraka ny maha tarika manana ny maha izy azy ny tarika Lola ary mbola tena ankafizin’ny olona. Afa-po ny rehetra ary manantena hatrany ny fihaonana maromaro amin’ ny mpanakanto ankafiziny.
Nifampitaona teny amin’ ny Kianjaben’ny Esca Anta­nimena ny tarika Lola, niara-paly tamin’ny mpankafy azy tao anatin’izay fotoana lavalava tsy nihaonana izay, indrindra ny teto Antananarivo. Nan­deha hatrany ny gadona nahafantarana ny tarika, in­drindra ny batrelaka, na dia teto Antananarivo aza no na­naovana ny fampisehoana. Notsongaina manokana ny hira tena nampalaza ny tarika sy tena nankafizin’ny besinimaro. Nifangaro tao na ny hiram-pitiavana na ny mihe­tsiketsika. Niaraka nankafy ny “Ray ô”, “Tsy manahy”, “Tsy azo atao ahoana” sy ny hiram-pitiavana nampiavaka ny tarika Lola, ny mpankafy azy. Teo koa ny “Manakara”, “I Gasikara” ary “Analake­ly”, hira izay nentina nampitety an’i Madagasikara ny mpankafy azy. “Miavaka ha­trany, ary mijanona ho mpankafy ny tarika Lola hatrany izahay, na dia misy aza ny fivoarana sy ny mozika vao misandratra”, hoy i Nivo, mpankafy ny tarika Lola.
Nalai-nisaraka tanteraka ny rehetra teny am-pamaranana ny fampisehoana, izay na­hitana sokajin-taona maro tokoa.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: