«Tournoi Inter Medias» : tompondaka ny Ilontsera sy ny Kolo Production

Notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fifaninanana ho an’ny mpanao gazety, «Inter Medias», andiany voalohany. Nandrombaka ny amboara teo amin’ny Foot à 7, lehilahy, ny orinasa Ilontsera, raha toa ka ny Kolo Production ny an’ny taranja basikety « mixte ». Ny eki­pan’ny Ultima Media (ivondronan’ny gazety Taratra sy Les Nouvelles), niondrika teo amin’ny ampahavalon-dalana, tamin’ny lalao baolina kitra, ho an’olona fito, raha teo amin’ny ampahefa-dalana kosa ny mpilalao basikety.
Azo lazaina fa afa-po tanteraka ireo mpandray anjara tamin’ity hetsika ara-panatanjahantena nokarakarain’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) ity. Betsaka ireo orinasan-tserasera maniry ny hisian’ny andiany faharoa.
Tsiahivina fa miisa 22 ireo haino vaky jery nandray anjara tamin’ny taranja baolina kitra, raha toa ka 10 ny basikety. Marihina fa nisy ny fifaninanana tanisa «jonglage», «tirs 3 points», ary notolorana mari-pankasitrahana avokoa ireo voalohany tamin’izany.
Ankoatra izay, lavon’ny Uscafoot vehivavy U17 ta­min’ny isa 1 no ho 0 ny vehivavy mpanao gazety, raha niondraka tamin’io isa io ihany koa ny fiombonan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena lehilahy (UJSM), ra­ha nifandona tamin’ireo olo-manankaja mpanao politika.

Resin’ny Telma ihany koa ny vehivavy mpanao gazety manao basikety (Joba). Ni­fa­rana tsara ny lalao rehetra nataon’ireo orinasa mpikirakira vaovao tsirairay, ary notolorana loka avokoa ireo nahazo ny laharana telo voalohany isaky ny taranja natao.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: