Judo – «Mondial 2023» : hihaona amin’i Aleksandra i Laura

Nivoaka ny sabotsy lasa teo ireo mpifanandrina amin’ ireo atleta malagasy roa, vehivavy, taranja Judo, Rasoa­naivo Laura sy Ramiandrasoa Haingo, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, hatao any Doha Qatar, ny 7 -14 mey. I Samardzic Alek­sandra, avy any Bosnia, no hihaona amin’i Laura, eo amin’ny sokajy latsaky ny 70 kg, séniors, raha toa ka ilay koreanina Park Saetbyeol ny an’i Haingo, -78 kg, séniors.
Marihina fa ny 11 mey, hiakatra sehatra i Laura raha ny 13 mey i Haingo. Ankoatra izay, ahitana firenena maro mpandray anjara ity fifaninanana ity, toa an’i Etazonia, Japana, Brezila, Frantsa, Alemaina, Korea Atsimo, Sénégal, Maroka, Bosnia, Pologne, Aostralia, Venezu­e­la, Chine, Irlande.
Efa vonona tanteraka ny atleta Malagasy. Tsara ny mampahatsiahy fa i Laura no laharana voalohany maneran-tany amin’ity taranja Judo ity. Miisa dimy, hatramin’izao, ny medaly volamena azony. Ity vehivavy mpikatroka ity, nandrombaka ny tompondakan’i Afrika, natao tany Tonizia, Alzeria, Angola. Miisa efatra ireo olona mandrafitra ny delegasiona ho any Doha, ahitana an’i Saïd Bruno Eric, filohan’ny Judo Malagasy, ny mpanazatra, Randriamasinoro Mamy sy ireo atleta malagasy mirahavavy.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: