Nakotroka indray teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly alahady 7 mey. Noraisin’
ny filoham-pirenena sady nahazo mari-boninahitra avokoa ireo atleta rehetra namiratra kanefa tsy mbola nahazo izany.
Efa fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana ny hanome fankasitrahana ireo mpanao fanatanjahantena rehetra mitondra avo ny voninahi-pirenena ary nohamafisin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, fa tsy asiana fanavahana izany, mahazo avokoa ny taranja rehetra. Izany indrindra ny anton’ity andro natokana ho an’ny mpanao fanatanjahantena namiratra ity.
Taranja miisa 8 no nahazo mari-boninahitra sy fankasitrahana, nahitana ny rugby à 7, tsipy kanetibe, tenisy, Judo, karate, taekwondo, tolona ary ny atletisma. Nampiakarina ho “Chevalier de l’ordre National” ny atleta malagasy nahazo medaly volamena, tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja tsipy kanetibe sy ny Makis, vehivavy, tompondakan’i Afrika, rugby à 7.
Notolorana ny “Commandeur de l’ordre de mérite sportif” kosa ireo nahazo medaly volafotsy tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja Tsipy kanetibe 2020, ireo nahazo medaly volamena tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja karate kata “virtuel” 2020, ireo nahazo medaly alimo tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo 2020, ary ireo atleta nahazo medaly, tamin’ny lalaon’ny Nosy 2019, taranja atletisma. Nomena ny “Officier de l’ordre de mérite sportif” ny atleta nahazo medaly volafotsy, taranja tenisy (Afrika), ary karate (Afrika kata 2020). Nahazo ny “Chevalier de l’ordre de mérite sportif” kosa ireo atleta nahazo medaly alimo, taranja Karate (Afrika kata 2020) ary Judo (Afrika 2020). “Tsy vitan’ny mpanao fanatanjahantena irery ny fandraisana anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena fa firaisankinan’ny rehetra”, hoy ny nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa Haja. Nidera ny ezaka nataon’ireo atleta kosa ny Filoham-pirenena ary nanamafy fa tsy misy fanavahana ny taranja rehetra.
Mi.Raz