JIOI 2023 – Filoha Rajoelina : “Fandresena anatin’ny firaisankina no tanjona”

Nitafa sy nidinika ary niara-nikorana tamin’ny Fe­de­rasiona sy ny atleta ma­lagasy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Nandritra izany no nanambarany fa fandresena anatin’ny firaisankina sy fa­hasamihafana no tanjona amin’ity lalaon’ny Nosy 2023 ity. Hahafahana manatratra izany tanjona izany, notsinjaraina samy hiandraikitra ta­ranja ireo minisitra mpikambana eo anivon’ny governemanta. Mahakasika ny fampivondronana kosa, eny Vontovorona no hanatanterahana izany ka avy hatrany dia afaka manao izany ny taranja tsirairay. Hisy ny fanampiana ara-bola ho an’ireo atleta mikotrana irery. Tsy nisalasala ihany koa ny filoham-pirenena nilaza fa afaka manatona azy mivantana ireo atlte raha misy fitaovana na fanamiana tokony hovidiana.
Fehiny, lalaon’ny Nosy miavaka indrindra sy tena tsara ity lalaon’ny Nosy 2023 ity.

Mi.Raz

Ireo minisitra sy ny taranja sahaniny

-Atletisma: minisitry ny Pa­o­sitra sy ny fifandraisan-davitra
-Handisport: minisitry ny Fitaterana / minisitry ny Tontolo iainana.
-Badminton: minisitry ny Varotra.
-Basikety: minisitry ny Fitantanam-bola/minisitry ny Asa vaventy/minisitry ny Filaminam-bahoaka.
-Baolina kitra: minisitry Fitantanam-bola/SEG
-Kick Boxing: minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo.
-Tenisy ambony latabatra: minisitry ny Asa tanana sy ny haitao.
-Beach Soccer: minisitry ny Tanana vaovao/minisitry ny Fanajariana ny tany.
minisitry ny varotra/minisitry ny Fitaterana.
-Judo: minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena.
-Tolona: minisitry ny Fampianarana ambony.
-Lomano: minisitry ny Fahasalamam-bahoaka/minisitry ny Fitsarana
-Handisport: minisitry ny Jono.
-Rugby à 15: minisitry ny Fampianarana teknika/minisitry ny Mponina.
-Rugby à 7: minisitry ny Asa.
-Taekwondo: minisitry ny Fanabeazana/minisitry ny Fambolena.
-Karate: minisitry ny Tanana vaovao/minisitry ny Atitany.
-Hand: minisitry ny Raharaham-bahiny.
-Tsipy kanetibe: minisitry ny Harena an-kibon’ny tany/minisitry ny Asa.
-Tenisy: minisitry ny serasera/minisitry ny Fizahantany/minisitry ny Rano.
-Volley: minisitry ny Rano/minisitry ny Fiarovam-pirenena/SEG.
-Taranja hafa minisitry Tanora sy ny fanatanja­hantena.

Partager sur: