Olan’ny rugby : kandidà tokana no hofidina filohan’ny Federasiona

Na efa nahazo fankatoavana avy amin’ny Rugby Afrique sy ny World Rugby aza Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby amin’izao fotoana izao, manohy ny lalany amin’ny fanoherana azy ireo ligim-paritra sasany. Misisika ny hanatontosa fifidianana izay ho filo­han’ny federasiona indray izy ireo. Nanao filazana ny vaomieran’ny fifidianana natsangany fa nifarana ny alakamisy 4 mey lasa teo ny fandraisana ireo ho kandidà ka tsy misy afa-tsy tokana ny hiatrika izany dia i Sambotody Jean Dorien. Notsiahivin’ity voamiera ity fa nahazo fankatoavana avy amin’ny minisitera mpiahy izany fiantsoana ho mpifaninana ho an’ny toeran’ ny Malagasy Rugby izany.

Araka izany, efa nandefa ny taratasy fiantsoana ireo ligim-paritra hanatontosa ny fifidianana izy ireo, nanomboka ny zoma 5 mey 2023, araka ny lalàna eo anivon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny an’ny Malagasy Rugby. Raha ny daty navoakan’ity vaomieran’ny ligy mpanohitra an-dRakotomalala Marcel ity, hatao ny sabotsy 20 mey ho avy izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Federa­siona.

Etsy an-kilany, manohy ny asany hatrany ny Malagasy Rugby voafidy ara-dalàna ka ao anatin’ny fanomanana ny fifanintsanana ho an’ny “Can” vehivavy, hotanterahina eto Madagasikara, izy ireo ankehitriny. Efa nanomboka ny alatsinainy 1 mey rahateo ny fanamboarana ny kianja Makis, handraisana izany.

Tompondaka

Partager sur: