Afovoan-tany : handrahona sy hanerika

Hahazo vahana ny erika eto Antananarivo rahampitso sy ny alarobia, hidina kely koa ny maripana ka hahatratra 13°C ny ambany indrindra ary 24°C ny ambony indrindra. Hitohy handrahona eto afovoan-tany anio. Ho maina kosa ny toetry ny andro saika manerana ny Nosy, anio, ankoatra ny any Analajirofo sy Atsinanana, hahazo erika, hoy ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Mbola mifandimby miseho ny vanim-potoana roa (fahavaratra sy ririnina) amin’izao fotoana izao. Nisehoa­na havandra sy oram-baratra ny tapany atsimon’ny Nosy, ny faran’ny herinandro. Taty amin’ny atitany no nisy havandra betsaka raha oram-baratra ho an’ny morontsiraka. Ho an’ny roa andro manaraka, hanerika hatrany ny ilany atsinanan’ny Nosy.

Mila mivonona hatrany amin’ny akanjo mafana ny maraina sy ny hariva fa mamely ny hatsiaka.

Partager sur: