Zotra Toamasina-Moramanga : hiverina hiasa ny lamasinina mpitatitra olona

Hisokatra afaka herinandro vitsy ny zotra an-dalamby sahanin’ny orinasa madarail, mampitohy an’i Toamasina sy Moramanga. Hamakivaky an’Ambila Lemaitso sy Brickaville ary Andasibe ny lamasinina ka hitondra ainga vao ho an’ny toekarena sy ny fizahantany any an-toerana.

Hiasa manomboka ny 1 jona izao ny fitaterana an-dalamby mpitatitra olona (train voyageur) mampitohy an’i Toa­masina sy Moramanga. Nia­to nandritra ny fotoana ela ity fitaterana ity ka izao hisokatra izao indray. Hisa­hana ity zotra an-dalamby ity ny orinasa Madarail ka hitondra ireo mpandeha sy mpizahatany avy eo amin’ny Gare manguiers, Toa­masina hatrany Mora­man­ga. Man­dalo an’Ambila Lemaitso sy Brickaville ary Andasibe ny lalana. Hisitraka izany in­droa isan-kerinandro ny rehetra. Araka izany, nisy ny fivoriana niarahan’ny governoran’ny faritra Atsinanana sy ireo tomponandraikitry ny kaominina izay misy ny fiantsonana. Mizara roa ny saran-dalàna amin’ity zotra an-dalamby ity. 15.000Ar ny saran’ny fandehanana ho an’ny “1ère classe”, mampitohy an’i Moramanga sy Brickaville. Raha 10.000Ar izany ho an’ny “2ème classe”. Natao ho 10.000Ar kosa ny saran-dalanan avy ao Brickaville mankany Toamasina ho an’ireo “1ère classe” raha toa ka 7.000Ar ho an’ireo mpandeha hafa.

Hampiroborobo ny toekarena
Ainga vao sy hanala ny fahasahiranan’ny mponina ny fiverenan’ity zotra an-dalamby ity, indrindra amin’ireo toerana saro-dalana sy tsy tongan’ny fiara. Hitondra fampivoarana ny lafiny toekaren’ny tanàna izany sady hampiroborobo ny fizahantany.
Hiainga ao Moramanga hihazo an’i Toamasina isaky ny alakamisy ny lamasinina. Ary ny sabotsy indray avy ao Toamasina mankany Mo­ra­manga. Samy amin’ny 06 ora maraina ny fiaingana. Ny alahady kosa miainga avy ao Moramanga mihazo an’Ambila ny zotra amin’ny 7 ora maraina. Miverina any Moramanga ny talata amin’ny 7 ora kosa ny lamasinina rehefa avy ao Ambila.

Henintsoa H.

Partager sur: