Nifarana omaly ny tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy, FEPA (Foire de l’élevage et de la production animale). Samy afa-po ny rehetra ary miandry indray ny andiany manaraka ireo mpanjifa sy ireo mpandray anjara. Nisongadina nanditra ny efatr’andron’ny foara ny fambolena sy ny fiompiana ataon’ireo tantsaha. Fa indrindra ireo vokatra vita malagasy izay tsy mena-mitaha amin’ireo avy any ivelany. Niavaka tanteraka ity hetsika ity noho izy nahitana zava-baovao samihafa. Tao ny fihainoana sy fanomezana fahafaham-po ireo mpandray anjara sy ny fanentanana samihafa ary fizarana torohevitra. Tanjon’ny mpikarakara ny hetsika, rahateo, ny hitondra fampandrosoana ny sehatry ny fiompiana eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Ankoatra izay, ny fizarana ny teknika moderina momban’ny fiompiana ary ny fanakaikezana sy fifaneraserana amin’ireo mpisehatra momba izany. Araka izany, manana vina ny hanohy ny hetsika any amin’ny faritra ireo mpikarakara ary ho avy tsy ho ela ny fiofanana samihafa any an-toerana. Tsiahivina fa andiany faha-14 ity hetsika FEPA, natao teny amin’ny MPE Nanisana, ity. An’arivony maro ireo mpitsidika tonga nandritra izany ary samy liana tamin’ity hetsika ity daholo ny rehetra. Nisy ny fanentanana sy lalao samihafa natao teny an-toerana, ny sabotsy teo.
Henintsoa H.